Webradio

ANTSIRANANA - ONIVERSITE : Ialokalofan’ny mpikarama an’ady politika sy mpanakorontana

Raikitra indray ny herisetra nataon’ny mpianatra tao amin’ny oniversiten’ Antsiranana, ny alatsinainy alina, tokony tamin’ny 7 ora sy sasany.  28 janvier 2021

Tora-bato, fandorana kodiarana sy kioska tamin’ny afo ary fanimbana entana, toy ny fanaka tao amin’ny biraon’ny CROUA sy fanaparitahana dosie sy ny hafa, izay ny fihetsika nataon’ny mpianatra tao amin’ny oniversiten’Antsiranana tamin’io alina io. Izay no hitan’izy ireo ho fomba mahomby hanehoany ny hatezerany noho ny fahatapahan’ny herinaratra izay marihina fa naharitra 10 minitra fotsiny raha ela indrindra ary nanerana ny tanànan’Antsriranana fa tsy tao amin’ny oniversite fotsiny. Tsy vitan’izay fa mbola nahitana tanora tsy mpianatra avy tao amin’ny fokontany Lazaret nanampy azy ireo tamin’ny fanimbana zavatra, araka ny loharanom-baovao. 

Izay indrindra no mahatonga ny mpanara-baovao sy Raiamandreny maro any an-toerana mametra-panontaniana ny amin’ny tena anton’ny fitokonana niseho tao amin’ny oniversite, ny alin’ny alatsinainy teo. «  Mahatsikaritra zavatra hafahafa izahay Raiamandreny. Iny fitokonana iny raha ny marina dia efa nomanina ary misy ambadika politika. Ahoana moa no hanazavana fa vao tapaka ny herinaratra dia raikitra sahady ny tora-bato sy ny fanimbana fitaovana  », hoy ny mpampianatra misotro ronono iray monina ao amin’ny fokontany Lazaret. Fanazavana izay azo lazaina fa mitombina satria na dia tafaverina amin’ny laoniny aza ny herinaratra afaka fotoana fohy dia mbola nanohy ny asa ratsiny ireo mpianatra tao amin’ny oniversite.


 Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana

Manoloana izany toe-javatra izany voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Baomba mandatsa-dranomaso maherin’ny 20 no nampiasain’ireto farany hiatrehana ireo mpianatra. Araka ny loharanom-baovao 15 no efa voasambotra hatao famotorana. Tsy fitakiana velively no nataon’ireto mpianatra araka ny fahitan’ny maro azy any an-toerana fa misy zavatra hafa ao ambadika. Tsy ela akory dia nandoro fiara sy nanimba zavatra maro tao amin’ny biraon’ny filohan’ny oniversite sy talen’ny fitantanan-draharaha sy ara-bola ireo mpianatra nandritra ny fitokonana nataony. Fandikan-dalàna izany rehetra izany ary mendrika sazy henjana. Na izany aza anefa nandefitra hatreto ny manam-pahefana sy ny Mpitondra any an-toerana. Heverin’izy ireo ho fahalemena angamba izany. 

Na koa tsy tratra ny tanjon’ireo mpaniraka ambadik’ izao raharaha izao izay maniry ny hisian’ny korontana any amin’ny tapany avaratry ny Nosy iny ka mampiasa mpikaraman’ ady politika eo amin’ireo mpianatra. Indray mitoraka ity nilaza kosa ny tompon’andraikitra any an-toerana fa tsy handefitra. Misy aza amin’ireo Raiamandreny tafaresaka tamin’ny mpanao gazetinay nilaza fa raha mbola mitohy izao fisehoan-javatra sy fihetsika baribariana ataon’ny mpianatra mpikaraman’ady sasany izao aleo, hoy izy, hidiana aloha ny oniversite. Tsy azo atao anefa izany satria ny mpianatra tsy manan-tsiny indray no hibaby ny voka-dratsin’ny hadalan’ny sasany. Aleo hosaziana na handraisana fepetra manokana ireo mpianatra hita fa tsy azo anarina intsony. Na izany na tsy izany, tsy hijanona amin’ny fanadihadiana ireo mpianatra izao raharaha izao fa mety hiitatra amin’ireo olona izay ahiana fa ambadik’ izao asa fanakorontanana izao. Andrasana ny mety ho tohin’izao raharaha izao.


A.Lepêcheur

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés