Nomarihiny koa fa : « ny Minisitera dia manatanteraka an-tsakany sy an-davany ary manontolo ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika dia ny fahasalamana ho an’ny rehetra tsy an-kanavaka ». Ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano fahadimy dia hapetraka ho taonan’ny asa, taonan’ny fanarenana ary taonan’ny fanorenana ity taona 2021 ity.
Nampahatsiahy ireo laharam-pahamehan’ny Minisitera ihany koa ny Minisitra ary isan’ny nambarany nandritra io ny fananganana fotodrafitrasa, fanomezana fampitaovana ho an’ny mpiasan’ny Minisitera sy ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fiasana haingana. Nanome toromarika momba ny ady amin’ny Covid-19 ihany koa ny Minisitra ary nilaza fa : « tarihina ny rehetra tsy hiandry ireo iraka alefa vao hihetsika sy hanatanteraka ny andraikitra tokony horaisiny.
Nanentana ireo tompon’ andraikitra rehetra ihany koa ny tenany handray andraikitra hiaraka amin’ireo olom-boafidy sy ireo olom-boatendry. Nohamafisiny ny fanarahana amin’ny antsipiriany ny fifehezana ity covid-19 ity ataon’ireo Talem-paritra, ireo « Médecin Inspecteur » ary ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra. Nanentana hatrany ny Minisitra hanajana ireo torolalana efa napetraky ny Fitondram-panjakana, anisan’izany ny fanajana ireo fihetsika sakana rehetra toy tsy maintsy hampiasana ny arovava sy orona, ny fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony na « gel désinfectant ».
Ny fanapenana ny orona sy ny vava amin’ny lanton-tsandry rehefa mikohaka na mievina, ny fanajana ny elanelana iray metatra fara fahakeliny sy ireo maro hafa. Mbola nitohy omaly ary hifarana amin’ity anio ity moa ny fivoriana iarahan’ny Minisitra amin’ireto talem-paritry ny fahasalamana ireto.
Ny Ami