Ny alatsinainy 25 janoary tamin’ny 3ora sy sasany teo no tonga teny amin’ny PK18, sampanana Boanamary ny razana avy any Antananarivo. Manam-pahefana, mpitantana ny kitra, mpankafy sy mpiara-milalao baolina fahiny tamin’Itompokolahy no tonga nitsena teny an-toerana. Taorian’izay dia niara-nizotra ny rehetra nanatitra ny razana tao amin’ny Complexe Sportif Ampisikina Mahajanga.
Anisan’ny nitsena ny razana tao i Ahmad, filohan’ny CAF teo aloha. Araka ny fandaharam-potoana dia niaretan-tory tao ny alin’ny alatsinainy ny razana. Ny talata 26 Janoary dia nentina teny amin’ny stade Rabemananjara, nialoha ny niaingana omaly ihany ho any Mandritsara, Faritra Sofia, toerana izay handevenana an’Itompokolahy Ferdinand Rafalimanana na i Goly Be, mpilalao baolina kitran’ny FCO Mahajanga sy ny Club M fahiny. Tsiahivina moa fa anisan’ny nandray anjara tamin’ny fampodiana ny vatana mangatsikany eto an-tanindrazana ny mponin’i Mahajanga
Nangonin’i Vanessa