Webradio

FAMOSAVIANA TENY AMPEFILOHA : Vehivavy telo nahafaty zaza 4 taona nadoboka am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo vehivavy miisa telo nahavanon-doza, nanapoizina zazakely tamin’ny sakafo. 28 janvier 2021

Araka ny loharanom-baovao voaray avy eo anivon’ny Polisim-pirenena, omaly, dia zazalahikely 04 taona monja no nopoizinin’izy ireo tamin’ny fihinanana bisky izay nitarika hatramin’ny fahafatesany mihitsy. Lonilony sy fialonana tamina fianakaviana iray mipetraka ao Ampefiloha Ambodirano no antony nahatonga azy ireo nanao izao toe-javatra izao, raha ny fanazavana voaray momba ity tranga ity.

Tamin’ny volana Oktobra 2020 lasa teo ilay zaza no nararin’ny fahasemporana, ka noentin’ny ray aman-dreniny nijery mpitsabo avy hatrany ary nandaniana vola aman-karena saingy tsy nahitam-bahaolana izany fa nihombo hatrany ilay aretina. Nindaosin’ny fahafatesana ilay zaza na dia nialana nenina aza. Manoloana ny toe-draharaha dia nampiahiahy tanteraka ireo ray aman-dreny ny fomba nahafaty io zaza io. 

Nanatona ny manam-pahefana noho izany izy ireo nilaza fa misy olona tsy mifankahazo aminy ny fianakaviana ary mety ahiany ho namosavy io zaza io. Vokany, nanokatra famotorana lalina teny anivon’ny fiarahamonina ny Polisy nandray an-tanàna ny raharaha ka ramatoa miisa 03 izay 62 sy 52 ary 39 taona teo an-tanàna ihany no nanome poizina ilay zaza. Tao anatin’ny fanadihadiana no nitsotra ireto Ramatoa voasambotry ny Polisy ireto fa nomen’izy ireo bisky nisy poizina ity zaza tsy manan-tsiny.  Etsy ankilany dia fantatra ihany koa fa tsy io zaza io irery ihany no nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny fa misy ireo olona hafa nataon’izy ireto nitondra takaitra, ka tao ny lasa malemy ary nisy ihany koa ny namoy ny ainy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés