Webradio

LALAM-PIRENENA FAHAFITO : Saron’ny polisy ireo mpangala-jaza varira avy any Fotadrevo

Mbola manjavozavo amin’ny maro tanteraka ankehitriny ny antony mahatonga ireo jiolahy mangalatra na koa maka an-keriny ireo zaza varira any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy iny.  28 janvier 2021

Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana indray dia ny alin’ny alatsinainy 25 janoary 2021, tokony ho tamin’ny 12 ora latsaka fahefany tany ho any no saron’ny Polisy FIP, miasa amin’ny lalam-pirenena fahafito iny ireo olon-dratsy miisa fito, izay avy nangalatra zazavavikely varira, tokony ho 10 taona eo ho eo. Voalaza fa avy any Fotadrevo izy ireo. Rehefa natao moa ny fampijanonana an’ireo olon-dratsy ireo dia voasambotra tsy afa-nitsoaka ny roa tamin’izy ireo raha toa ka mbola vaky nandositra kosa ny dimy. Nandritra ny fisavana ny entana tamin’ireo jiolahy roa tratra dia nahitana fanafody gasy maro sy basy vita gasy miisa 02 izay efa voafahana. Efa eo am-pelatanan’ny Polisy ihany koa moa io zaza varira io ankehitriny ka rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa avy any Ambatomainty, kaominina Fotadrevo, Distrikan’Ampanihy ny ray aman-dreniny.

Manoloana ity hala-jaza varira ity dia nampitandrina ny mponina any an-toerana ny mponina mba samy ho mailo satria tsy kely lalana ny ratsy, efa maro ihany koa ireo lasibatra. Manentana araka izany izy ireo ny amin’ny fanomezam-baovao marim-pototra raha sendra mahita trangan-javatra mampiahiahy eny anivon’ny fiarahamonina.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés