Webradio

FENOARIVO - ATSINANANA : Lehilahy avy nivarotra voaendaka sy voatsindron’antsy

Raim-pianakaviana iray avy nivarotra tamina toeram-pisotroana na  bar iray eny amoron-dranomasin’i Fenoarivo-Atsinanana no nisy nanendaka teo amin’ny araben’ny fahaleovantena, akaikin’ ny Jirama, ny alin’ny alatsinainy 25 janoary hifoha ny talata 26 janoary lasa teo.  28 janvier 2021

Vokany, lasa tamin’izany ny poketra teny amin’ilay rangahy. Tsy vitan’izay ihany koa fa mbola notsindromin’izy ireo antsy ka naratra mafy ilay lasibatra. Nalefa avy hatrany tany amin’ny Hopitaly ilay rangahy naratra ary fantatra fa efa tsy misy ahiana ny fahasalamany. 

Ny angom-baovao no nahalalana fa mitondra sabatra ireo olon-dratsy ary nisy olona niezaka mba nanohitra saingy nenjehin’izy ireo tamin’ny sabatra ihany koa. Raha tsiahivina, efa nampitondra faisana tao Fenoarivo-Atsinanana tamin’ny taona 2020 iny ny “bande des fleches”. Andian-jiolahy mandroba sy manafika amin’ny alala’ny bakam-pilesy. 

Efa saron’ny mpitandro filaminana izy ireny fa izao nipoitra izao indray ny andiany fa saingy niova kely. Tsy nampiasa filesy intsony fa nampiasa sabatra. Mahavalalanina ny mponin’i Fenoarivo-Atsinanana izao zava-misy izao. Fenoarivo-Atsinanana izay tsy mba nahenoana loatra trangana fanendahana hatramin’izay.

IVT

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés