Webradio

FIVORIAN`NY OMC NASIONALY : Tsy ekena intsony ny fanakorontanana eto amin’ny Firenena

Nisy ny fivoriamben`ny OMC (Organe mixte de conception) izay notarihin’ny Praiminisitra, Ntsay Christian teny amin`ny lapan`i Mahazoarivo, omaly.  28 janvier 2021

Teboka maro mahakasika ny raharaham-pirenena no nodinihina tamin`izany. Nivohitra fa tsy ekena intsony ny hisian’ny korontana eto amin’ny Firenena fa mila fitoniana ny vahoaka.  Manana adidy sy andraikitra ny rehetra, hoy ny Praminisitra mba hiainan’ny vahoaka malagasy ao anatin’izany fitoniana izany. Anjaran’ny «  OMC  » nasionaly ny mandray andraikitra amin’ny fampandriana ny fahalemana raha sanatria misy tranga fihantsiana miseho na endrika fanakorontanana hafa izay mety hanohintohina ny fiandrianam-pirenena. Izany hoe, tsy handefitra amin`ireo mikendry hitondra korontana eto amin’ny Firenena ireo tompon’andraikitra mahefa misahana ny filaminana. Fantatra fa mikendry hanozongozona ny Fitondrana ankehitriny ireo mpanohitra ka manambana ny handray ny andraikiny feno araka izany ireo mpitandro filaminana. 

Tsy tokony hisy fiakarana ny jiro sy rano

Nodinihina nandritra ny fivoriana omaly ihany koa ny lafim-piainan’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao, ka nojerena manokana ny mikasika ny rano sy ny jiro. Nambaran’ny Praiminisitra fa manaraka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika, ny amin’ny tsy tokony hisian’ny fiakaran’ireo, ny “OMC”. Notsipihiny fa mbola misy fiantraikany eo amin’ny vahoaka ny ady natao tamin’ny valanaretina covid-19, ka tokony tena hotandrovana ny tombontsoan’ny mpanjifa. Noho izany dia, na efa hita aza ny ezaka eo amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa hampitombona ny famatsian-drano eo anivon’ny Jirama, dia tokony hojeren’ny tompon’andraikitra ao avokoa ny olana mety mahatonga ny tsy fahatomombanana, eny hatramin’izay mety ho fikasana hanakorontana, mba hahafahan’izy ireo manarina ny tsy mety rehetra sy manatsara ny kalitaon’ny tolotra ary mampahafantatra  izany amin’ny vahoaka.

Tsy azo ekena ny fanimbana fananana iombonana

Voaresaka nandritra ny fivoriana omaly ny tranga miseho eny amin’ny oniversite. Misy fandraisan’andraikitra takina amin’ireo tompon’andraikitry ny oniversite satria tsy azo ekena ny fanimbana fotodrafitrasa sy fananana iombonana raha toa ka misy ny fitakiana ataon’ny mpianatra, na inona na inona anton’izany, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nomarihiny fa vonona ny hanome tanana amin’ny fiarovana ny oniversite ireo mpitandro filaminana, ka nentaniny ny hisian’ny fiaraha-miasa ara-potoana mba hisorohana ny mety ho korontana.

Olana eo amin’ny minisiteran’ny fahasalamana

Nifanakalozan-kevitra omaly koa ny olana miseho eo amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny tompon’andraikitry ny «  Paramed  ».  Nanambara ny Praiminisitra fa mbola fotoana ahafahan’ny mpisehatra rehetra mifampidinika izao ary hojeren’ny Fitondram-panjakàna ny isan’ireo olona hampidirina hiasa eny amin’ny tobim-pahasalamàna rehetra, saingy mila fifandaminana mazava ao anatin’ny fifanajana izany mba tsy hisian’ny fihoarana. Teo am-pamaranana dia notsiahivin’ny lehiben’ny governemanta fa Firenena tan-dalàna sy manaja ny zon’olombelona ao anatin’ny demokrasia i Madagasikara, saingy misy fetra izany rehetra izany. Takina amin’ny Mpitondra ny fanarahana ny sori-dalana mifandraika amin’izany ary takina amin’ny rehetra kosa ny fampiharana ny toromarika amin’izany sori-dalana izany, mba ho tombontsoa ambonin’ny Firenena, hoy izy.

A.Lepêcheur sy Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés