Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, hanomboka ho hita eny amin’ny mpivarotra enta-madinika eny anivon’ny fokontany ireo vary mora nohafaran’ny Fitondram-panjakana ireo. Omaly no nigadona teto an-drenivohitra ireo fiara lehibe miisa 5, izay nitondra vary 33 taonina avy. Izao no andiany voalohany tonga eto an-drenivohitra amin’ireo vary 7 000 taonina tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina nanomboka ny alahady lasa teo. Hitohy tsy tapaka hatrany ny fanaparitahana ireo vary, ka ny renivohi-paritany enina no hisitraka izany voalohany.
Fanaraha-maso
Araka ny fanazavan-dRakotohary Joseph, tompon’andraikitry ny tsena mora, hisy ny fepetra hifehezana ny tsenan’ireto Vary tsinjo ireto. Ny mpivarotra enta-madinika na ny épicerie no hivarotra izany eny anivon’ny fokontany tsirairay. Takina ihany koa ny fitondrana kara-pokontany ho an’ireo mpanjifa ary hoferana ny fatra faran’ny ambony azon’ny mpanjifa iray vidiana mba hisorohana ny mety ho fanararaotana. Ankoatra izay dia hisy ny fanaraha-maso hentitra hampiharina hisorohana izay mety ho fikasan-dratsy amin’ny fanodinkodinana ireo vary nohafaran’ny Fitondram-panjakana ho fanamaivanana ny fahasahiranam- bahoaka. Hihetsika handray andraikitra amin’ny fanaraha-maso izany ny Minisiteran’ny Indostria, varotra ary ny asa tanana, ny governoran’ny Faritra, ireo olom-boafidy samihafa, hatrany amin’ny fokontany. Etsy amin’ny trano fanatobiana entana, Fasankarana moa no nasiana ireto vary ireto ary avy eo indray no miainga ny fanapariahana azy manerana ny renivohitra.
Ny Ami