Webradio

FIAROVANA AMIN’NY COVID-19 : Nisy 17 ireo maty, 976 ny tranga vaovao hatramin’ ny niandohan’ny taona

Mavesatra ny fitambaran’ny antontan’isa mirakitra ny fivoaran’ilay valanaretina Covid-19 teto Madagasikara hatramin’ny niandohan’ity taona vaovao 2021 ity.  28 janvier 2021

Nanomboka ny 2 janoary ka hatramin’ny 22 janoary lasa teo dia misy hatrany amin’ny 17 ny fitambaran’ireo olona namoy ny ainy ary 976 kosa ny tranga vaovao tao anatin’io fe-potoana io. Nihazakazaka tampoka ny fihombon’ity valanaretina ity raha toa ka noheverina ho efa nilamina izany ny faramparan’ny taona lasa iny. Faritra miisa telo no tena voakasik’ity valanaretina ity ka mitana ny lohalaharana amin’izany ny eto amin’ny Faritra Analamanga. 

Ho an’ny soa iombonana dia tsy mitsitsy amin’ny fampiharana ny sazy ho an’ireo olona tratra tsy manao arovava sy orona eny an-dalambe ny mpitandro filaminana. Noho ny gaboraraka sy ny tandrevaka tamin’ny fanarahana an’ireo fepetra ara-pahasalamana no voaporofo fa tena nampirongatra indray an’ity valanaretina ity teto amintsika. Samy mandray ny andraikitra manandrify azy ny rehetra amin’izao. 

Ny teo anivon’ny Prefektiora dia nandray didim-pitondrana amin’ny fanasaziana faran’izay hentitra an’ireo minia tsy manao arovava sy orona rehefa mivoaka ny trano. Ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny sampan-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (Att) kosa dia nanamafy ny fanaraha-maso an’ireo fiara mpitatitra. Tamin’ny herinandro lasa iny dia am-polony ireo fiara naiditra «  fourrière  » noho ny tsy fanarahan-dalàna. Ireo tompon’andraikitra voalohany eny anivon’ny tsena kosa dia nanamafy ny fanentanana izay nilaza fa ho mafy ihany koa ny fanaraha-maso. 

Manomboka mihamaro ireo olona tonga manao fitiliana etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka, izay azo ilazana ny fihanahan’ity valanaretina ity indray. Manamafy ny fepetra ny Fitondram-panjakana satria ny tsy hiverenana amin’ny fihibohana sy ny hamehana ara-pahasalamana no tanjona. Lalim-paka loatra ny fahasahiranam-bahoaka ka mila arenina. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana sy ny fanarahana araka ny tokony ho izy an’ireo fihetsika sakana ihany ny fomba haingana handresena tanteraka an’ity valanaretina ity. Raha ny eto Madagasikara manokana dia nanamafy ny mpitsabo fa mbola manan-kery tanteraka ny tambavy «  Cvo  » na amin’ny fitsaboana na amin’ny fiarovana.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés