Webradio

TOSIKA ARA-TOEKARENA : Hahazo vola mitentina 320 tapitrisa dôlara i Madagasikara

Manga ny lanitra eo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny sy ny mpamatsy vola. 16 février 2021

Ireto farany izay tsy misalasala ny mitondra famatsiana ara-bola ho an’ny Firenena malagasy noho ny fahaiza-mitantana feno izay ananan’ny mpitondra ankehitriny. Araka ny fantatra dia famatsiam-bola mitentina 320 tapitrisa dôlara no ho azon’i Madagasikara avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny fandaharan’asa Fec (Facilité Elargie de Crédit) andiany faharoa. Amin’ny ankapobeny hanarenana ny lafiny ara-toekarena mba hoentina hampitomboana ny harin-karena faobe io vola io. Teboka maromaro no hifantohan’ny fifanarahana eo amin’i Madagasikara sy ny FMI, ka anisany tafiditra ao anatin’izany ny vidin-tsolika, ny an’ny orinasa Jirama ary ny Air Madagasikara izay manana ny ampahany 40%n’ny tetibola voafaritra nomen’ny FMI amin’ny fanomezana voalohany. Nambaran’ny Minisitry ny Toekarena sy ny vola fa mangarahara tanteraka ny fampiasana ny vola ary anisany manome endrika tsara an’i Madagasikara eo anatrehan’ireo mpamatsy vola izany. “Ny FMI no manara-maso ny toe-pahasalaman’ny Firenena tsirairay avy amin’ny lafiny fitantanam-bola. Ity rafitra ity koa no manana ny mason-tsivana izay azo ilazana fa tsy Firenena baranahiny akory i Madagasikara fa Firenena manaja ny fitantanana, amin’ny fomba tsara tantana ny volam-panjakana amin’ny ankapobeny. Samy sahirana na ny Air Madagasikara na ny Jirama, mifanindra an-dalana ihany koa amin’ny resaka vidin-tsolika. 

Hatreto aloha dia fifanarahana no resahiko dia hotohizana izay ampahany azon’ny Fanjakana aroso amin’ny Jirama”, hoy ny Minisitra nanazava. Mandritra ny telo taona no hanaovana ity fifanarahana ity izay hanomezana tosika ny toekarena malagasy. Raha tsy misy ny fiovana dia ny volana jolay sy septambra ho avy izao no ho tonga eto Madagasikara hanatanteraka ny tombana amin’ny fampiharana ity Fec andiany faharoa ity ireo iraka avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés