Araka ny voalazan’izy ireo, tsy azo ekena satria mety hamerina ny krizy politika eto Madagasikara indray ny tranga tahaka izany. « Niaraha-nisedra ny covid-19, tsy zakan’ny Malagasy ny zava-nitranga tamin’ireny kanefa mbola hovolena krizy vaovao indray ve ? », hoy ny fanontaniana napetraky ny FMIEM. Nitaona ny vahoaka tsy hanaiky hatao fitaovana politika koa ity fikambanana ity.
“Efa misy ny radio, efa misy ny haino aman-jery ary maro ny efitrano azo anaovana tatitra fa tsy voatery midina an-dalambe. Maninona no midongy ho eny Ambohijatovo ? Mazava fa fitarihana olona hirotsaka an-dalambe hanongana izao Fitondrana izao no tanjon’ireto mpanohitra ireto. Manameloka tanteraka izany fikasana ratsy izany izahay nisafidy ny Filoha” , hoy ny fanambaràn’ny FMIEM.
Hita maso, ary azo tsapain-tanana ny fampandrosoana napetraky ny Filoham-pirenena, eto amin’ny Firenena, hoy hatrany Rasoanaivo Andry Arilala, filoha nasionaly, mpitarika ity fikambanana ity.
Hatramin’ny nitondrany, nilamina ny fampandriam-pahalemana, fotodrafitrasa maro manerana ny Nosy nitsangana, (lalana, sekoly, tsena, trano, building, hopitaly...). Nanavao ireo lohamasinina tsy nisy niraharaha nandritra ny taona maro koa ny Filoha, nijery ny fahasahiranam-bahoaka ary namaha ny olana ara-tsosialy vokatry ny covid-19. Araka ny fomba fijerin’ny FMIEM, tsy maharesy lahatra velively ny fitaoman’ny mpanohitra olona hidina an-dalambe saingy tokony handray andraikitra hatrany ny mpitandro filaminana hitsinjovana ny tombontsoa ambonin’ny Firenena.
“Zon’ny mpanohitra ny mitsikera fa ny asa fanakorontanana kosa, lavinay marin-drano. Miantso ny vahoaka tsy hanaiky hatao sorona izahay ary manamafy fa izahay dia ao an-damosin’ny Filoham-pirenena hatrany manohana azy”, hoy hatrany ny filohan’ny FMIEM.
Ny Ami