Teo am-panaovana ny asa ratsiny izy izao tra-tehaka izao. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso, nikasa hangarona ny paosin-kitapon’olona ity lehilahy ity saingy voatazon’ny tompony ilay kitapo sy ny tanany nangarona tao ka tsy afa-nitsoaka intsony.
Avy hatrany dia niantso vonjy no sady nidaroka azy koa ity olona saika hanaovany ny asa ratsiny ity. Fotoana vitsy taorian’izay, tomefy olona nihorakoraka sy nidaroka azy ny arabe. Nohorakorahin’ny fokonolona, novelesina ary naratra mafy ny lehilahy. Vaky ny vavany, nandeha ra ny orony ary nisy faritra maromaro naratra teny aminy.
Tsy lavitra teo amin’ny toerana nisian’ny tranga ny mpitandro filaminana, ka nentin’ny fokonolona tamin’ny fiarakaretsaka nankeny an-toerana izy.
Izay fihetsika izay rahateo no tsy nahafaka ny ainy. Efa tao anaty fiarakaretsaka aza izy io omaly io mbola nidongian’ny fokonolona sasantsasany havoaka hodarohina ihany. Nalaky afaka ny fiara nitondra azy ho any amin’ny manam-pahefana.
Nahazo vahana tato ho ato ny trangana sinto-mahery sy fanendahana teny amin’iny faritra iny, raha ny fitantaran’ny mponina ka izay no antony nampisafoaka ny vahoaka avy hatrany dia nandaroka ity lehilahy iray tratra ity.
N.A & Avotra Isaorana