Webradio

ANDILAMENA : Mpanafika taksimoto iray maty voatifitra, valo azo sambo-belona

Mirongatra ny fanafihana mahazo ireo mpanao taxi-moto ao anatin’ny Distrikan’Andilamena.  18 février 2021

Saika mampiasa izany avokoa, hatao fitaovam-pitanterana ny ankamaroan’ny mponina ka anisany mampiroborobo ny asa ratsin’ireo olon-dratsy.
 Ny faran’ny herinandro teo tratran’ny patsa iray tsy omby vava ireto mpanao asa ratsy. Andian-jiolahy mpanafika taxi-moto no nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana ka tsy nisy afa-bela. Izay tsy maty voatifitra azo sambo-belona. Fantatra fa taxi-moto iray no nisy nandroba tao amin’ny Fokontany Ampamoizamaso, eo an-tampon-tanànan’Andilamena, ny faran’ny herinandro teo.

Nisy teo amin’ny folo lahy teo ireo mpanafika ka rehefa tratran’ny be noho ny vitsy ilay voaroba dia tsy sahy nanohitra. Taorian’ny voina nihatra taminy dia nampandre ny Zandary ny tenany. Ireto farany avy hatrany dia nanao ny fikarohana ka tao Anony, anatin’ny Kaominina Vohimena sy tao Fiadanana anatin’ny kaominina Amparafaravola no tra-tehaka ireto tompon’antoka. 

Raikitra ny fisamborana, sivy lahy no voasambotra izay mbola nikasa hitsoaka ihany raha iny teny an-dalana hihazo an’Andilamena iny. Tsy maintsy nampiasa basy ny Zandary vokatr’izany ka maty voatifitra ny raikalahy tamin’izy ireo. Ny ambiny kosa efa voatazona ao amin’ny biraon’ny Zandary. Mahatsiaro ho afa-doza ireo mpanao taxi-moto tamin’ny faharavan’ity tambajotra iray ity.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés