Ny alatsinainy teo notoloran’ny solombavambahoaka voadidy tao amin’ ny distrikan’Ambilobe fitaovana maro samihafa izay nahitana solosaina miaraka amin’ny « imprimante », « onduleur » ary seza plastika maromaro ny kaominina ambanivohitra Mantaly mba ho fanampiana ireo tompon’andraikitra eo anivon’izany kaominina amin’ny adidy sy andraikitra sahaniny.
Notolorana « panneaux solaires » ihany koa ny kaominina satria ilaina herinaratra ny fampiasana solosaina sy « imprimante ». Nisaotra ny depiote Assimo Bruno ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Mantaly sy ny ekipany tamin’ny nanolorana ireto fitaovana ireto ary nanome toky izy ireo fa hampiasa izany am-pahendrena ary hoentina hatrany hanasoavana ny kaominina sy ny vahoaka ao aminy.
Nahazo ny anjarany ihany koa ny« Asa »
Ankoatra ny kaominina dia nahazo ny anjarany ihany koa ny fikambanana antsoina hoe « Asa » tao Mantaly. Notoloran’ny depiote Assimo Bruno fitaovana entina hanatsarana ny sosialim-bahoaka toy ny siny, lovia, vilany, sns, ary fitaovana hahafahana manatanteraka ny asa fambolena toy ny « râteaux », angady, sns ity fikambanana ity. Fikambanana izay vao naorina tsy ela akory nefa manana ny maha izy azy satria ahitana azy ireo kaominina miisa 17 mandrafitra ny distrikan’Ambilobe.
A.Lepêcheur