Webradio

JENERALY RAVALOMANANA RICHARD : Nokaramaina ireo olona nanakan-dalana tamin’ny vato

Nidina teny Antanimena, Soarano, Analakely, Tsaralalàna ary Ambohijatovo iny no sady nankahery ireo mpitandro filaminana nanao ny sakana ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria na ny SEG, ny jeneraly Ravalomanana Richard.  22 février 2021

Raha ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety tetsy Soarano dia nilaza izy, fa nisy andian’olona nametraka vato sy sakana tetsy amin’ny Malacam Antanimena, ny sabotsy lasa teo. Vao nandalo anefa ny mpitandro filaminana dia nitsoaka ireo olona nanao ny sakana ireo. Nambaran’ity manamboninahitra jeneraly ity, fa nokaramaina mba hametraka sakana ireo andian’olona ireo. “Tsy hitondra anareo ho aiza izany”, hoy izy. Vahoaka nilamina no hita, hoy ny jeneraly. 

Tsy nisy korontana tamin’io andro sabotsy io. Tsy nisy hita teny an-toerana kosa ireo depiote sy mpitarika ny Miara-Manonja, fa niafina tany ambadika, dia ny vahoaka no tadiavina hatao sorona. 

Nanao antso avo ho an’ny vahoaka an’Antananarivo ny jeneraly Richard Ravalomanana  : “ Aza manaiky hotarihina any amin’ny korontana isika, fa aoka hilamina. Tsy mila korontana intsony ny Firenena fa aleo hilamina. Izao ve dia mahafaly ny mpanohitra, voatohintohina ny fitadiavana sy fivelomana ary ny fivezivezen’ny olona. 

Avy aminay mpitandro filaminana ve izany, sa avy amin’ireo mpanohitra sy mpanao fihetsiketsehana ? Sahia mipoitra ireo mpitarika fa aza entina any amin’ny korontana ny vahoaka izay hita fa milamina”, hoy izy. Nisaotra ny vahoakan’Antananarivo ihany koa ny tenany noho ny fahamatorana sy fahendrena nasehony ka tsy voarebirebin’ny mpanohitra izay tsy mitady afa-tsy ny fanakorontanana eto amin’ny Firenena.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés