Webradio

HETSIKA FANAKORONTANANA : Nitafy fahafaham-baraka tanteraka ireo Mpanohitra

Nandamoka. Io no azo ilazana ny vokatr’ilay fikasana hanao hetsika famoriam-bahoaka nokarakarain’ireo Mpanohitra tetsy Analakely, ny sabotsy 20 febroary lasa teo.  22 février 2021

Fahafaham-baraka no nobabena, zara raha nisy tonga namaly ny antso ireo mpomba azy ireo. Nahomby ihany koa ny fepetra izay napetraky ny mpitandro filaminana.
Lasan-ko vavany fotsiny sisa ireo olon-dRavalomanana fa tsy sahy midina an-kianja tena sahy miatrika izay fifandonana mety hitranga. Any amin’ireo haino aman-jery isan-tokony ireo Solombavambahoaka avy amin’ny Tim no manao belazao fa tsy tazana teny Analakely akory, ny sabotsy tontolon’ny andro.

Ny sabotsy 20 febroary lasa teo no fotoana nifanaovan’ireo Mpanohitra, izay notarihin’ny Solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa sy i Fidèle Razara Pierre tamin’ireo mpiara-dia amin’izy ireo. Mafy be ny fanentanana teo anivon’ny radio miara-manonja saingy tsy arakaraka izay no nitranga rehefa tena tonga ilay fotoana nifanomezana.

Tsy nisy tonga teny an-toerana ireo mpitarika na ny avy amin’ny Tim na ny avy amin’ny Rodoben’ny Mpanohitra izay nanao fanambaràna niezinezina fa ho avy hanotrona an’io hetsika hatao eo amin’ny kianjan’ny 13 mey io. Ankoatra izay, nangadihady ihany koa Analakely sy ny manodidina. Zara raha azo nisaina tamin’ny ratsan-tanana ny isan’ireo olon-dry zareo tonga namaly ny antso teny an-toerana. Araka izany, nandamoka tanteraka ary tsy tanteraka ny fikasana hanao hetsika teo Analakely izay nokarakarain’ireo Solombavambahoaka Tim. Hetsika izay nambaran’izy ireo fa hanaovana tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo kanefa miharihary toy ny tafika andrefan-tanàna fa finiavana hanakorontana fotsiny izao. Nomena alalana malalaka ny hanao an’io tatitra io eny Soamandrakizay ry zareo saingy nolaviny izany fa ny hidina eo amin’ny kianjan’ny 13 mey hatrany no nokendren’ireo mpitarika. 

Mihevitra ireto farany fa rehefa tonga dia ho raikitra amin’izay ny fanonganam-panjakana izay kononkononin’izy ireo fatratra. Nilamina ny teto Antananarivo tamin’ny ankapobeny. Voasakana ny korontana ary saika nanohy ny fiainany tamin’ny andavanandro ny ankamaroan’ny mponina. Niteraka fanelingelenana teo amin’ny fifamoivoizana fotsiny ny tsy maintsy nanidiana ny lalana rehetra mihazo an’Analakely sy Ambohijatovo.

Tsy vao sambany fa efa tao anatina hetsika maro izay no nibaby fahafaham-baraka tahaka izao ireo olon’ny Mpanohitra nefa saika nihanjahanja hatrany. Tamin’ity indray mitoraka ity no tena nahitana fa tsy mila korontana intsony ny vahoaka.

Ny Fanoratana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés