Webradio

FIANARANTSOA : Miantso ny mpianatra ho tony ireo maintimolalin’ny Oniversite Andrainjato

Nampita hafatra ho an’ireo zandry mandranto fianarana ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa ireo maintimolaly nivoaka sy nandalo tao.  22 février 2021

Araka ny nambaran’izy ireo, tsy tokony hanaiky horebireben’ny mpanao politika intsony ny mpianatra satria fomba ratsy efa nisy teto amin’ny Firenena kanefa tsy nitondra mankaiza izany. «  Amin’ny maha-Zoky anay, am-panetren-tena no andraisanay ny adidy  : Efa niaina zavatra betsaka teny izahay, tao ny mora, tao ny sarotra.

Efa nahita zavatra maro teny koa, tao ny tsara, tao koa ny ratsy. Manoloana ny savorovoro misy ankehitriny, tsy hainay ny tsy hiteny sy hananatra satria zandrinay tianay be ianareo. Tsy foinay ianareo ary irinay fatratra mba ho tafita soa aman-tsara amin’ny fianarana avy. Hianatra no anton-dianareo eny. Hanovo fahalalana sy handrato fahaizana. Mianara, vitao ny fianarana ary aza manaiky rebirebena amin’ny korontana fa tsy hisy hahazo tombontsoa amin’izany », hoy ny voalaza nandritra ny fanambaràna izay nataon’ny maintimolalin’ny oniversite Andrainjato Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo.

Efa tara ny taom-pianarana noho ny covid-19, ny filofosana sy ny fanohizana izany hatramin’ny farany no tokony hihazakazahana, hoy izy ireo. «  Efa tsy fotoanan’izany grevy izany intsony izao na inona na inona ny antony. Raha toa ka misy ny zavatra tsy milamina dia manatona ny tompon’andraikitra, miezaha mifampiresaka fa tsy misy zavatra tsy vitan’ny fifampiresahana. Efa betsaka ny vitan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, efa maro ny olana nosedrain’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. 

Isan’ny lohalaharana tamin’ny grevy ny Oniversiten’ i Fianarantsoa taloha satria azo lazaina fa nanana izany mpianatra tena nadi-doha izany. Efa nisy tao ny mpianatra voatifitra, ny mpianatra nigadra, ny mpianatra voaroaka kanefa tsy nahazo izay notadiaviny  », hoy hatrany ny voalaza. Rehefa misy korontana, ny mpianatra hatrany, hoy ity fanambaràna ity, no lasa sorona ataon’ny mpanao politika fitadiavan-tseza sy ikatsahany tombontsoa manokana.

N.A

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés