Miroso amin’ny fanatanterahana izany ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ankehitriny. Nanteriny, omaly, nandritra ny fandalovany tao amin’ny sekoly iray eny amin’ ny kaominina Andoharanofotsy fa : “hatao laharam-pahamehana ny fampianarana”. Asa fa tsy kabary no atao. Ezaka hanatrarana io velirano fahefatra io ny fametrahana fotodrafitrasa manara-penitra manerana ny Nosy.
Manampy izany ny fampidirana ny mpampianatra ho mpiasam-panjakana sy fanomezana fampiofanana manaraka kalitao ho azy ireny ary ny fampifandraisana ny teknolojia vaovao amin’ny fampitam-pahalalana. “Tiako ny mpianatra, miezaka isika mampiakatra hatrany ny lentan’ny fampianarana. Efa manomboka mitraka manampy ny mpianatra ny Fanjakana amin’izao fotoana ary manao izay rehetra tsy vitan’ny Mpitondra teo aloha. Efa ela no nisy mpitondra teto fa izao vao nisy hoe hatao laharam-pahamehana ny fampianarana”, hoy ny Filoha, raha nandray fitenenana, teny Andoharanofotsy.
Nanteriny nandritra ity fitsidihana tampoka ity fa tsy hionona fotsiny amin’ny fananganana fotodrafitrasa intsony ny Fanjakana. Hovatsiana fampitaovana avokoa ny kilonga madinika manomboka izao. Hisy ny fizaràna kitapo, aron’akanjo, boky, kahie ary tablety ho an’ny mpianatra. Ao amin’ny kaominina Andoharanofotsy no hatomboka ny fizaràna tablety ary haparitaka manerana ny Nosy izany.
Tsiahivina fa efa ao anatin’ny fandaharam-pianarana amin’izao fotoana ny famerenana ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona, ny fampisitrahana fampianarana maimaimpoana ho an’ny ambaratonga fototra manerana Nosy, ny fanomezan-danja ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ary ny fameranana ny hasin’ny kolontsaina hitaizana ny zaza malagasy… Ireto farany izay samy ao anatin’ny velirano fahaefatra avokoa.
Ny Fanoratana