Webradio

TANIKETSAN’NY BAREA : Mitety ny Faritra Sava mitsirika ireo katitakely  ny mpanazatra Nicolas Dupuis

Tao amin’ny distrikan’Antalaha, Faritra Sava no nanombohana ny fitsirihana ireo katitakely mendrika hifantenana ireo hiditra ao amin’ny "Académie Elite Barea" eto Madagasikara. 25 février 2021

Araka izany dia tonga tao an-toerana ny talata 23 febroary teo ny mpanazatra ny ekipan’ny Barea, Nicolas Dupuis, nihaona tamin’ireo zatovo manodidina ny 200 isa teo ho eo, izay manam-paniriana ho lasa lavitra amin’ny lalao baolina kitra.

Nitohy ny alarobia 24 febroary ny fihaonana tao Antalaha ary hitohy amin’ny fitetezana ny distrika hafa ao amin’ny Faritra Sava ihany izany fitsirihana izany, araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana.

Araka ny fampitam-baovao hatrany dia tanteraka izao fitsidihana ao amin’ny Faritra Sava izao noho ny tohana sy fiaraha-mientana avy tamin’ireo mpanabe maromaro avy ao an-toerana ary namana akaiky an’ny mpanazatra ny Barea  ao Sava.
Marihina fa tao amin’ny kianja monisipaly tao Antalaha no nisantarana izany fitsirihana ireo katitakely mendrika izany. Hotaterina miandalana eo ny mahakasika izany.

Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés