Webradio

HETSIKY NY VEHIVAVY 8 MARSA ANY DIEGO : Mikononkonona fanakorontanana ireo vehivavy RMDM ?

Amin’ity taona ity dia any Antsiranana no hankalazana amin’ny fomba ôfisialy ny andron’ny vehivavy 8 marsa.  2 mars 2021

Ho avy any an-toerana i Mialy Rajoelina vadin’ny Filoham-pirenena, izay hotronin’ireo Minisitra vehivavy sy vadina Minisitra vehivavy. 

Mba hitandrovana amin’ny fihanaky ny «  Covid-19  » kosa dia ireo fikambanam-behivavy ao anatin’ny Faritra Diana ihany anefa no handray anjara amin’ny hetsika fa tsy hisy solontena manerana ny Nosy fa isa-paritra ihany no hanaovan’ izy ireo izany. Tsy faly ary manomboka mitady ny hirika rehetra mba tsy hahatomombana ny hetsika ireo vehivavy izay azo lazaina ho solontenan’ny Rodoben’ny Mpanohitra ao anatin’iny faritra iny. Anisany mikonona fanakorontanana amin’izany ny vadin’ny Ben’ny tanàna TIM teo aloha sy vadina Solombavambahoaka TIM teo aloha. 

Na tsy fanakorontanana mivantana aza, hoy ny loharanom-baovao, dia fanakorontanana no tian’izy ireo hahatongavana izay hamoronana olana amin’ny lamba mitovy izay tokony hisaloran’ireo vehivavy amin’io fotoana io. Nifanaraka ny fikambanam-behivavy rehetra fa hatao mitovy ny akanjo amin’io fotoana io, tsy nisy nanisy olana. Ireto solontenan’ny miara-manonja any Antsiranana ireto kosa no voalaza fa mikasa hitsivalam-pandry hanao fomba maloto amin’ny fanamboarana io fanamiana mitovy io. Na izany aza anefa dia miray hina tanteraka ny fikambanam-behivavy 8 marsa ao Antsiranana, ka tsy hanaiky hosakantsakanana amin’ny fomba ratsy tahaka izany.

INVA

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés