Ny tenany izay anisan’ireo mpanolotsaina manana ny maro an’isa lany tamin’ny anaran’ny antoko Ird saingy nanana fomba fijery tsy nifanojo tamin’ny an’ny ingahy Ben’ny tanàna rehefa tena tonga teo amin’ny toerany izay mahatonga fifandroritana hatreny amin’ny Polisy sy ny Fitsarana hatramin’izao. Omaly, voaantso teny anivon’ny biraon’ny Polisy tetsy Tsaralalàna indray ny tenany.
Voalaza fa fanaovana “traffic d’influence” nandritra ny fandravana tsena teny Analamahitsy no antony fitoriana ka nahazoany fampiantsoana teny amin’ny Polisy io. Nandà mafy izany ny tenany izay nilazany fa filazana ny marina no nataony eo anatrehan’ny antsojay ataon’ny Kaominina amin’ireo mpivarotra. Tsy vao sambany, hoy izy, no nijoro tahaka izao ny tenany fa rehefa mahazo fitarainana amin’ireo mpivarotra iharan’ny fandravana tsena fivarotana, toy ny tetsy Analakely dia midina ifotony foana amin’ny maha mpanolotsaina ny Kaominina azy.
Marihana fa efa nanana raharaham-pitsarana maro Ramatoa Clémence. Nisy tamin’ireo no efa nahazoany sazy tamin’ny didim-pitsarana izay nivoaka. Izao indray dia andrasana izay mety ho fivoaran’ity raharaha hafa ity.
Avotra Isaorana