Webradio

TAOM-BAOVAO MALAGASY : “Manomboka miverina an-doharano ny Malagasy”

Samy resy lahatra ireo rehetra nankalaza ny taom-baovao malagasy Marsa-Avrily, ny faran’ny herinandro teo, fa niavaka noho ny isan-taona ny fankalazana tamin’ity.  18 mars 2021

Antony, mihamaro sy mitombo isa ny olom-panjakana mitana andraikitra ambony eto amin’ny Firenena mankamamy sy mankalaza azy. Manomboka miverina an-doharano ny Malagasy, araka ny nolazain’ny Loholona Imbiki Herilaza. Nanamafy izay koa ny teo anivon’ny trano koltoraly notarihin-dRamamonjisoa Mbola Tiana. Ity farany izay sady angady nananana sy vy nahitana ny trano kolotoraly malagasy no mpitazona ihany koa ny hasin’ny rovan’ Andriambahoaka afovoan’ny tany ao Itasy.

Ho an’ny fankalazana tao Ambolomanjakarivo-Itasy, tonga tany an-toerana avokoa ny olobe, mpitan-kazomanga sy mpanome hasina ny fomban-drazana avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Niara-niaiky izy ireo fa efa miverina ny hasin’ny maha-malagasy amin’izao saingy tokony hampiroboroboana hatrany tsy ho latsa-danja amin’ny hafa. Fototry ny fampandrosoana rahateo izay fiverenan’ny hasin’ny maha-malagasy izay, raha ny nambaran’ny Tale Jeneraly misahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, Augustin Andriamananoro.

Ny Ami

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés