Webradio

ONIVERSITEN’ANTANANARIVO : Mandrahona ny hanao fitokonana lavareny ireo mpandraharaha

Mandrahona ny hanao fitokonana lavareny ireo mpandraharaha eo anivon’ny Oniversiten’ Antananarivo raha tsy misy ny fandraisana andraikitra haingana mahakasika ny fandoavana ny karaman’izy ireo.  7 octobre 2021

Nanomboka omaly no efa nampiato ny fampandehanan’asa rehetra ao amin’ny Oniversite ireo mpandraharaha mivondrona ao anaty sendika maneho izay fitakiana izay.

Araka ny fanazavana voaray dia misy ny tsy fifanarahana eo amin’ny mpanara-maso ara-bola sy ny Minisiteran’ny Vola sy ny tetibola ka mahatonga izao olana amin’ny fandoavana karama izao. Nambaran’ny filohan’ny sendikan’ny mpandraharaha eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo fa nanomboka tamin’ny volana janoary ka hatramin’ny volana aogositra farany teo dia tsy nisy mihitsy ny andraikitra noraisin’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisitera tompon’andraikitra tamin’ny fandoavana ny karaman’izy ireo fa ny Oniversite foana no nandoa izany. Ankehitriny anefa, hoy izy, efa lany tanteraka ny vola tahiry eo amin’ity farany ka izay no mahatonga ny olana. Noho izany dia manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra ary manome 72 ora hamahana ny olana ireo mpiasa ao amin’ny Oniversite.

 «  Tapaka fa hiroso amin’ny fitokonana izahay, manomboka androany dia manome 72 ora izay tompon’andraikitra rehetra mahakasika an’ity karama isam-bolana ity izahay. Ny hanomezana an’ilay 72 ora dia hanairana ny Fanjakana fa misy mpiasa tokony hojerena eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo fa tsy hatao ankilabao isam-bolana izao”, hoy ny fanazavana.

An-kilany, namaly azy ireo ny filohan’ny Oniversite izay nilaza fa ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony no tokony handoa ny karaman’ireo mpiasa ireo. Tsy mbola azo lazaina ho tara anefa ny fandoavana izany, hoy izy, raha ho an’ity volana ity.

Avotra Isaorana  

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés