Webradio

FANOFANANA IREO NIHARAN’NY HERISETRA : Azo tsapain-tanana ny vokatra, mirehareha izy 30 mirahavavy

Tontosa ny alatsinainy faha 04 oktobra 2021 lasa teo ny famoahana ireo mpiofana, vehivavy miisa 30 mirahavavy, nianjadian’ny herisetra tonga nitady fanampiana, fanohanana ary koa torolalana tao amin’ny ivon-toerana manokana miady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy ao Mahamasina. 12 octobre 2021

Mpiofana andiany « fandresena » no iantsoana azy ireo ary efa hita taratra sahady ny fivoaram-piainana ankehitriny taorian’ireo lesona sy fampianarana norantovina tao amin’ity ivon-toerana manampy ireo olona ianjadian’ny herisetra ity. Tonga nanatrika ny lanonana Ramatoa Mialy Rajoelina filohan’ny fikambanana Fitia, niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta dia ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, CGP Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Randriamanantany Zely Arivelo, ny Minisitry ny fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rahantanirina Vavitsara Gabriella, ny Minisitry ny Fitsarana Imbiki Herilaza ary ny solontenan’ny eo anivon’ny UNFPA sy ny ny solontenan’ny « consul royal du Norvège ».

Naharitra iray volana ny fampianarana

 Ny volana septambra lasa teo no nanomboka ny fampiofanana ireo vehivavy ireo, naharitra iray volana ny fampianarana nahitana taranja iraisana miisa telo dia ny fampivoarana ny maha-olona, ny fitantanana amin’ny fomba tsotra ary ny fandrindram-piterahana sy ny asa tanana miisa telo isafidianana  : ahitana fianarana mahandro, zaitra, petakofehy, fianarana mofomamy. Marihina moa fa mpiara-miasa amin’ny fikambanana Fitia sy ny ivon-toerana ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, ny tetikasa nasionaly Fihariana, fikambanana Junior, MBA, CFP Tsimbazaza, LTA, CFP Antsofinondry, FISA Andoharanofotsy, fikambanana Association Zarasoa.

Mijoro sy mandray andraikitra ankehitriny

Amin’izao fotoana izao dia misongadina izy ireo na teo aza ny olana teo aloha niainany sy natrehany. Nanampy betsaka ireo osa ny antom-pisian’ny ivon-toerana ka nisaotra an’i Mialy Rajoelina filohan’ny fikambanana Fitia sady “championne” amin’ny ady amin’ny herisetra noho ny fanohanana sy fiahiana nataony. Niova fiainana izy 30 mirahavavy ary sahy nijoro fa nivoaka mpandresy sy afa-tahotra. Nitoroka sy namboraka ny herisetra niainan’izy ireo. Taorian’ireo fampianarana asa tanana nisafidianan’ ireto farany ihany koa dia afaka mahaleo tena ara-bola sy mamorona asa manomboka izao.

 Nandritra ny lahatenin-dramatoa Mialy Rajoelina tamin’ny famaranana izao fiofanana izao dia nanamafy izy fa  : “afaka mirehareha izy 30 mirahavavy satria azo tsapain-tanana ny fivoarana vokatry ny fampianarana noaratovina ka afaka mahaleo tena ianareo”.

Hofanina ara-informatika


 Notolorana mari-pankasitrahana ho mariky ny fahavitan’ny fiofanana izy 30 mirahavavy ireo nandritra io fotoana io. Nomena azy ireo ihany koa ny fitaovana nampiasain’izy ireo nandritra ny fampiofanana azy ireo mba hahaleo tena, indrindra amin’ny ara-bola.

Anisan’ny hisitraka fampiofanana informatika voalohany ao amin’ny Ivon-toerana manaokana Mahamasina izy 30 mirahavavy nivoaka ny 04 oktobra lasa teo ireo satria nanolotra fitaovana informatika ho an’ny Ivon-toerana ao Mahamasina ihany koa ny “Huawei” ho fiaraha-miasa amin’ny fikambanana Fitia ao anatin’ny ady amin’ny herisetra.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés