Webradio

FIARAHA-MIASA AMIN’NY ANY IVELANY : Noraisin’ny Filoha Rajoelina teny Iavoloha ny masoivohon’i Japon

Ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Japon, dia noraisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly 17 novambra 2021, ny Masoivohon’i Japon Sem Yoshihiro Higuchi. 24 novembre 2021

Eo amin’ny sehatry ny fifandraisana ara-jeopolitika, aty amin’ny faritra indo-pasifika, dia nanolotra sambo haingam-pandeha mpijirika miisa 5 ho an’i Madagasikara i Japon, izay miadidy ny filaminana sy ny fivezivezena an-dranomasinaamin’izany faritra izany. Ireo sambo ireo dia entina hanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ny harena an-dranomasina eto amin’ny Nosy. 

Hita soritra tokoa ny firoboroboan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, izay miseho amin’ny endrika maro toy ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola izay entin’ny Governemanta japoney amina sehatra maro eto Madagasikara. Ireo tetikasa ireo dia manampy indrindra amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto amin’ny Nosy. Naneho ny faniriany ny Filoha Andry Rajoelina ny hanamafisana ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Japon, ary indrindra ny hampiroboroboana ny fiaraha-miasa mifandraika amin’ireo laharam-pahamehana izay voasoritra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, indrindra ny fanomezan-danja ireo sehatra mampiavaka sy tena mampandroso ny firenena, mba hahatonga ny fiaraha-miasa tena hahazoan’ny firenena roa tonta tombontsoa iombonana, na eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany izany, na ny jono, na ny teknolojia, sns.

Ankoatra izay dia voaasa manokana amin’ny Tokyo Nutrition For Growth Summit 2021, ny Filoha Andry Rajoelina, noho izy tompon-daka amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo aty amin’ny Vondrona Afrikanina.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés