Ho an’ny teto Antananarivo manokana, satria nahitana izany tamin’ny Faritra maro tamin’iny fotoana iny, tena hita izay fahavononana izay. Tsy vitan’izay fa nisongadina ny fihavaozana sy fanavaozana fa indrindra ny fanovana mifandraika amin’ny zava-misy sy ny takian’ny toetrandro.
Ohatra amin’ireny, ny arina vita amin’ny fako raha saribao vita amin’ny hazo no nahazatra hatramin’izay. Tahaka izany koa ny siramamy izay azo avy amin’ny akora tsy voahodina toy ny zavamaniry “stevia” ka raviny fotsiny no isaina raha hanamamy kafe na dite ; miaro amin’ny aretina diabeta io. Tahaka an’izany ihany koa ny fanaovana latabatra sy seza vita amin’ny barika efa niasa. Izany hoe, misy fanodinana zavatra efa niasa izay mety hanimba na hanahirana amin’ny tontolo iainana kanefa mihavao sy mahazo endrika hafa ary ahazoana angovo mihitsy raha toy ny saribao na arina maitso no resahina.
Tsy ambakan’ireo ihany koa ny vokatra avy amin’ny hoditr’omby, ny baobab. Manginy fotsiny ny orinasa klasika mahazatra raha tsy hiresaka afa-tsy ny Telma, ohatra, izay nitondra ny karazana tolotra vaovao mifandraika ihany koa amin’ny vanim-potoana ankehitriny. Ny kabinetram-panadihadiana izay misoroka ny olam-piarahamonina raha tsy hiresaka afa-tsy ny olan’ny ady tany sy ny fividianana tany izay matetika manahirana ny olona. Ireny rehetra ireny mitambatra dia nahafahana nilaza fa efa tena vonona amin’ny fiatrehana ny aorian’ny fahamehana ara-pahasalamana tokoa ny mpandraharaha Malagasy saingy ny fizotry ny zava-misy ankehitriny toa mandindona sahady raha tsy misy fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fitandremana fa mety hiverina indray ireny fotoana sarotra sy nahamay ireny. Mba nisy mangirana kely ilay tontolon’ny varotra sy ny toekarena kanefa tandindomin‘ny loza sahady raha tsy misy ny fiaraha-misalahy hifehy dieny izao io valanaretina io.
Tsy adidin’ny Fanjakana samy irery fa ny isam-batan’olona mihitsy no mila mahatsiaro tena ka manao ny tandrifiny avy mba tsy hampiditra fahasahiranana vaovao indray. Afapo ny Mada Vision izay nahandro nahamasaka sy nitoto nahafotsy iny hetsika ara-toekarena iny.
Mamonjy