Webradio

RIVODOZA EMNATI SY BATSIRAI : Nandravarava tao amin’ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany

Raha tsiahivina kely ny tranga teo aloha dia nampitondra takaitra tsy tambo isaina tokoa raha ny fandalovan’ny rivodoza Ana ny volana janoary lasa iny, teo koa ny rivo-doza Batsirai nandravarava sy namoizana ain’olona an-jatony.  28 février 2022

Amin’izao fotoana izao anefa dia mbola miady mafy ao anatin’ny fandalovan’ny rivodoza Emnati ny eto amintsika. Hatreto, ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany no tena voa mafy sy nahitana takaitra betsaka indrindra raha toa ka ny teo aloha aza mbola tsy voavaha dia efa nahazo takaitra vaovao indray. Na izany aza dia manohy ny ezaka sy mitady vahaolana mandrakariva ho an’ireo vahoaka traboina sy sahirana ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Voa mafy hatrany ireo mponina ao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana

Manoloana ny fandalovan’ny rivodoza izay hatrany, velon-taraina ireo mponina ao amin’ny Distrikan’i Mananjary, Manakara sy ny manodidina noho ireo takaitra betsaka tsy mbola misy tafarina kanefa dia efa nandihizan’ny rivodoza Emnati indray. Ny talata 22 febroary, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro no nanomboka ny rotsak’orana izay nahatonga ny fiakaran’ny rano. Vokany, tafakatra an-tanàna ny ranomasina, ny trano rava, saika dibo-drano avokoa izay toerana aleha rehetra, hany ka mitombo isa ireo tsy manan-kialofana. 

Efa mandray andraikitra amin’ireo olona traboina, araka izany, ny solontenan’ny Mpitondra Fanjakana. Omaly alarobia vao maraina raha ny loharanom-baovao voarainay teo am-panoratana lahatsoratra dia fantatra fa tonga nitsidika ireo traboina ny Governoran’ny Faritra Fitovinany, Razafitsotra Lucien Laurel nankahery azy ireo sy nitondra fanampiana. Nomarihin’ny Sampana mpamantatra ny toetrandro hatrany moa io omaly io fa mbola ao anatin’ny loza mitatao miloko mena ny Faritra isany Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Anosy, Androy ary ny Distrika Benenitra, Betioky ary Ampanihy. Ahiana mafy ny tondra-drano vokatry ny fahabetsahan’ny rotsak’orana amin’ireo toerana rehetra izay lalovany. 

Noho izany indrindra dia nohamafisina ny fampitandremana ireo mponina voakasika ny filazana mba hanaraka tsara ireo toromarika apetraky ny manam-pahefana isan-tokony.

Oram-be nikija ny tao amin’ny Distrikan’Iakora

Oram-be nikija , miakatra  ihany  koa  ny  rano  ao  amin’ny  Distrikan. Iakora raha  ny  angom-baovao voaray  avy  any  an-toerana io omaly io. Foto-drafitrasa maro  no  simba  , rava ny  trano , tapaka  ny  lalana . Manoloana ireo tranga  ireo  dia  efa  nisy  ny  toerana  voatokana  nomanin’ny  mpitondra  fanjakana  nandraisana ireo  tra-boina ka  nohamafisina   hatrany  ny  fampitandremana  ireo mponina  mba tsy  hivoaka  ny trano  aloha   vokatr’izay fiakaran’ny ranobe izay hatrany.

 Na dia hita taratra aza fa  betsaka  ny  takaitra  napetrak’i rivo-doza Emnati dia misy  fahasamihafana ihany  ny tanjany  raha  mitaha tamin’ny  rivo-doza Batsirai hoy ny teo  anivon’ny  Sampana  mpamantatra  ny toetrandro . Tsy  dia  nisy  takaitra firy  navelany  saingy  ny   fikaran’ny ranobe  amin’ny  Faritra  maro  no tena olana mianjady  amin’ny  mponina.

Eo anilan’ny vahoaka ny Fitondram-panjakana

Na eo aza ireo zava-manahirana sy takaitra marobe navelan’ireo rivodoza nifanesy dia nanamafy ny Filoha Andry Rajoelina fa “eo anilan’ny vahoaka mandrakariva ny Fitondram-panjakana”. Mitohy ny fizarana ireo Vatsy tsinjo, ka isany nisitraka izany ny tao amin’ny Distrikan’Isandra, Faritra Matsiatra Ambony, ny Distrikan’i Vangaindrano, Distrikan’ Ifanadiana, ny Faritra Atsimo Atsinanana ary ny Faritra Vatovavy. 

Ny alatsinainy 21 febroary teo, nisitraka Vatsy tsinjo ireo mpampianatra Fram miisa 118 avy ao amin’ny Kaominina Nasandratrony, Ambondrona, Ankarinarivo, Iavinomby Vohibola izay tao anatin’i Distrikan’Isandra. Ny tao amin’ny Distrikan’i Vangaindrano ary Faritra Atsimo Atsinanana dia tokantrano miisa 400 avy amin’ny Kaominina misa 18 no nisitraka ireo Vatsy Tsinjo. Nitohy tao amin’ny Distrikan’Ifanadiana ny fizarana fanampiana ho an’ireo traboina ary mbola hitohy any amin’ny Faritra maro izany manoloana ny tranga misy amin’izao fotoana izao.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés