Webradio

MENABE : Mpitondra fivavahana manoso- potaka olom-boafidy sy olom-boatendry

Araka ny fanambaràna nataon’ireo solontenam-panjakana, olom-boafidy, olom-boatendry, ao amin’ny Faritra Menabe-Morondava 19 avril 2022

 “Misy olom-piangonana iray any an-toerana, tsy manao ny asany : fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy fitarihana ny zanak’Andriamanitra hiditra am-piangonana fa miditra an-tsehatra mihitsy amin’ny fanaovana politika ary miafina ao ambadiky ny maha mpitarika fivavahana azy”. Mahatsiaro tena ho sahirana ny maro an’isa amin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry amin’ny fanatanterahana ny toromarika avy amin’ny Minisitera isany sy avy amin’ny Fitondram-panjakana foibe manoloana ny zavatra ataony. “Tsy vitan’ny manosihosy sy mitsabaka andraikitra izy fa mbola manana firehana politika koa amin’izao fotoana”, hoy ny fikambanan’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry avy amin’ny Faritra Menabe nanao fanambaràna.  

Nambaran’ireto farany fa “izay Mpitondra Fanjakana ao amin’ny Faritra Menabe, tsy manaraka ny toromarika avy amin’ity mpitondra fivavahana ity dia rahonany ka itaterany vaovao diso any amin’ny Mpitodra Fanjakana foibe”. Araka ny fantatra, izy io ihany no tao ambadiky ny fanesorana ireo tompon’andraikitra tao Morondava tamin’ny toerany. Isany lasibatra tamin’izany ny Prefen’i Morondava sy ny lehiben’ny Distrika any an-toerana. Misy mpiasan’ny Fitsarana koa nafindra toerana noho ny tatitra diso, tsy nandalo fanadihadiana sy fanosoram-potaka nahazo azy avy. “Tena sahirana ny olom-boatendry sy olom-boafidy aty an-toerana amin’izao amin’ny fanatanterahana ny asany. Tsy maintsy manao tatitra aminy ny rehetra amin’izay zava-misy aty Menabe. Izy anefa tsy mpanao politika no sady tsy solon-tenam-panjakana fa mijabaka andraikitra”, araka ny fanambaràna hatrany. 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés