Webradio

FANAMBOARANA NY RN-44 : Tsakotsakoin’ny nenina ingahy Ravalomanana ?

Nanjaka ny fanaovana ampihimamba sy fangoronan-karena tamin’ny Fitondrana Ravalomanana. 1er juin 2022

 Ekena, nisy ireo asa fanamboaran-dalana maro saingy nirona hatrany nankany amin’ny fitadiavana tombontsoa manokana ho azy no tao ambadik’izany.

Velirano goavana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ny hanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 mihazo an’Ambatondrazaka. Lalana izay nataon’ireo Mpitondra nifandimby teo aloha fitadiavan-tseza fotsiny ihany rehefa tonga ny fotoana fanaovana fampielezan-kevitra.­ Ny Filoha ankehitriny no sahy nanao fanamby fa tsy maintsy vita mialoha ny fifaranan’ny fe-potoam-piasany ny marika amin’ny hanamboarana sy hamitana ity lalam-pirenena izay tena mampikolay ny mponina ity. “Tsy vola avy any am-paosin’ny Filoha no hanaovana fanamboaran-dalana fa volan’ny mpamatsy vola”, hoy ireo mpanohitra.

Nampiasa ny volan’ny mpamatsy vola amin’ny tokony tena hampiasana azy sy amin’ny ara-drariny sy hitsiny ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Mamaly ny filàn’ny vahoaka amin’ny fananganana ireo fotodrafitrasa maro samihafa toy ny sekoly, hopitaly, kianja manarapenitra ary lalana tahaka ity tetikasa goavana tanterahina ao Ambatondrazaka ity. Raha mitaha amin’izany no nataon’ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc dia mifanohitra tanteraka satria ny tenany izay tsy mba nihevitra mihitsy ny hanamboatra sy hanatsara ity lalam-pirenena faha-44 ity. Nampiasainy tamin’ny zavatra hafa izay ho an’ny tombontsoany manokana sy ny orinasany ny vola azo avy amin’ireo mpamatsy vola. Ankehitriny anefa milaza ity Filoha teo aloha ity sy ireo mpiara-dia aminy fa “be vava” fotsiny ny Filoha Rajoelina izay tena manangan-javatra ary mitady ny lalana rehetra ahafahana manatanteraka ireo Velirano nataony tamin’ny mba hitondra ny Firenena hankany amin’ny fampandrosoana ary hanatratra ny fahataran’i Madagasikara tato anatin’ny 60 taona mahery nahazoana ny fahaleovan-tena.

Mamendrofendro vahoaka

Mitety Faritra ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Tsy misy lalàna mandrara izany eto Madagasikara ary azon’ireo mpanao politika atao tsara izany mialoha ny vanim-potoanan’ny fifidianana tahaka izao. Tsy izany anefa no olana fa ilay famendrofendroana vahoaka izay lasa fifanaratsiana be fotsiny ihany. Famendrofendroana vahoaka fa tsy manao na inona na inona izao Fitondram-panjakana izao, famendrofendrona fa tsy laharam-pahamehana ireo asa ataon’ny Fitondrana fa entina isehosehoana fotsiny ihany. Famendrofendroana vahoaka fa miakatra ny vidim-piainana kanefa mitazam-potsiny ny Mpitondra. Andro tsena ity Filohan’ny mpanohitra ity no tonga tany amin’ny Distrikan’Anjozorobe­, ny herinandro lasa teo. Hoentina hilaza fa mbola be mpitia izy manoloana ny habetsahan’ny olona izay tonga niantsena ny ankamaroany. Nambarany tamin’izany fa manana vahaolana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana ny tenany. Izany hoe, manana vahaolana hanamora ireo entana ilain’ny vahoaka amin’ny fiainana andavanandro. Ny mahagaga anefa na hatramin’ireo vokatra vokarin’ny orinasany aza dia tsy mitsahatra miaka-bidy isan’andro.

 “Mpitari-bato vilam-bava, io no azo ilazana ny fihetsiky ny Filoha teo aloha Ravalomanana. Manana vahaolana ho an’ny fiakaran’ny vidim-piainana izy anefa na ireo entana vokarin’ny orinasany aza miaka-bidy ihany koa. Izany hoe, mbola tsy mitsahatra mamafy lainga ihany ity lehiben’ny mpanohitra satria raha tena manana finiavana ny hampidina ny vidim-piainana izy maninona no tsy ampidinina aloha ny vidin’ireo entana ao aminy ?”, hoy ny fanehoan-kevitra iray. Ny fanadihadiana iray no nilaza fa tsy eto Madagasikara ihany no ahitana ny fiakaran’ny vidim-piainana ity fa maneran-tany mihitsy noho ny fisian’ny valanaretina “Covid-19” sy ny ady any amin’ireo Firenena lehibe. Noho izany famendrofendroana vahoaka no tena tanjona.

Tsy ho tafaverina intsony

Namela takaitra ratsy tamin’ny sehatra maro teto amin’ny Firenena ny Filoha Ravalomanana Marc tamin’ny fotoam-pitondrany. Ohatra tamin’izany ny nanakatonany ny orinasa “Belgacom” tao Antsiranana raha vao tonga teo amin’ny Fitondrana ny tenany. Nampanantena fiara 4L ho an’ny isantokantrano izy. Hatramin’izao anefa dia nambaran’ireo mponina fa tsy mbola hita popoka ireo fiara nampanantenainy ireo. Hatreto, mazava ny lalana ho an’ity Filoha teo aloha ity dia hiverina eo amin’ny Fitondrana. 

Raha ny tsy fahaiza-mitantana hatramin’izay dia mampanonofy ihany ny hahatafaverina azy ho eo amin’ny Fitondrana indray. Ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2018 farany teo fotsiny no ampy hamaritra izany. Ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc izay nabaribarin’ny vahoaka malagasy fa tsy mety amin’ny fitantanana ny Firenena intsony. Efa leom-boan’anana nandritra ireo taona maro nitondrany an’i Madagasikara ny olom-pirenena. Fanamparam-pahefana, fanagiazana ny famokarana sy ny tsena ary fanagadrana olona izay odiany tsy tsaroana ankehitriny. Ireo no nahafantarana izany Filoha teo aloha Ravalomanana Marc izany. Manoloana izany, olona vonona tena hampandroso ny Firenena sy hanarina ny Firenena no andrandrain’ny vahoaka fa tsy ireo goaika antitra amin’ny fanaovana politika maloto intsony.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés