Webradio

MITOHY NY EZAKA FAMPANDROSOANA : Fotodrafitrasa maro notokanana tany Ihorombe

Sekoly manara-penitra, fotodrafitrasa ho an’ny filaminam-bahoaka, rano fisotro madio, fihariana ho an’ny tanora, fiahiana ny fikambanam-behivavy, fitsinjovana ireo fianakaviana marefo…ampahany azo amintinana ny dian’ny Filoham-pirenena tany Ihosy ireo. Mitohy ny fananganana fotodrafitrasa manerana ny Nosy. 1er juin 2022

Taorian’ny Distrikan’Iakora, nitohy tao amin’ny distrikan’Ihosy ny fitsidiham-paritra nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tao amin’ny Faritra Ihorombe, ny zoma 21 mey 2021 teo. Nanombohany izany ny fitokanana ny fotodrafitrasa vaovao misy ny Foibem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Ihorombe, izay hanolo ny birao efa antitra nampiasaina teo aloha. Efa nisitraka fotodrafitrasa sy tetikasa maro tahaka izao koa ny Faritra Sofia, Vakinankaratra, Anôsy sy i Vatovavy sy i Fitovinany. 
Hatreto, manarapenitra sy goavana ny fotodrafitrasa vitan’ny Fitondrana ankehitriny. Ahitana efitra 35 ny toerana izay miorina ao anaty velaran-tany 950m² ity fotodrafitrasa natao hamerenana ny fandriam-pahalemana any Ihosy ity. Ahitana ireo sampandraharaha rehetra ihany koa ny foibe toy ny angom-baovao, ny «  police judiciaire  », ny fitantanana sy ny misahana ny vehivavy sy ny zaza.  

Rano fisotro madio

Notokanana ny zoma teo ihany koa ny toby fanadiovan-drano ao Ihosy. Hamatsy rano fisotro madio ho ana fokontany miisa 13 ao an-toerana ity fotodrafitrasa vaovao ity raha fokontany 7 ihany izany teo aloha. Mponina 120 000 no misitraka ny fotodrafitrasa hahazoana rano fisotro madio tonga isan-tokantrano. 1300m³ no rano voadio eto amin’ity toby ity isanandro izay mampiasa teknika fanadiovana amin’ny alalan’ny «  système de traitement ultraviolet  ». 

Tranoben’ny Tantsaha

Ho fanohanana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana dia napetraka ary notokanana tao Ihosy ny Tranoben’ny Tantsaha ho an’ny Faritra Ihorombe. Fanamby napetraka, hoy ny Filoha, ny hampitomboana ny vokatra eto Madagasikara mba hahatratra ny fahaleovantena ara-tsakafo. Nampahatsiahiviny ihany koa ireo hetsika ataon’ny Fitondram-panjakana hanomezana vahana ireo tantsaha toy ny tetikasa «  titre vert  » sy ny fandaharanasa Fihariana izay manampy amin’ny famatsiana ara-bola sy ara-pitaovana ireo tetikasan’ireo tantsaha. Ho fanampiana hatrany ireo tantsaha sy vondrona tantsaha dia nanolotra milina sy fitaovana azy ireo ihany koa ny Filoham-pirenena. 

Kianja manarapenitra 

Efa an-dalam-pahavitana ankehitriny ny Kianja manarapenitra ao Ihosy. Tonga nijery izany tao an-toerana ny Filoha Andry Rajoelina. Nambarany tamin’izany fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ity kianja ity ary afaka handray fifaninanana lehibe toy ny Kianjan’i Barikadimy ao Toamasina. Hahazaka olona 1000 isa ny kianja, raha ny fanazavana, ary hotokanana aorian’ny fandresena ny aretina Covid-19. Efa vita tanteraka ny fametrahana ny bozaka artifisialy sy ny fananganana ny “gradin” sy ny “tribune”. Efa mandeha ihany koa ny fananganana ny kianja mitafo na “gymnase” eo akaikin’ny kianja manarapenitra. Tamin’io fotoana io ihany koa no nanolorana ny kamiao ho fanadiovana ny tanàna ho an’ny kaominin’Ihosy. Maromaro ireo fotodrafitrasa napetraka ho an’ny Faritra Ihorombe, ary Ihosy manokana dia miroso miandalana amin’ny fampandrosoana, hoy hatrany ny lahateniny. 

Fikotrehina orinasa

Notokanana nandritra izao dian’ny Filoha izao koa ny «  Centre d’incubation en entrepreneuriat culturel et industrie créative  » tao amin’ny kaominina Ankily, distrikan’Ihosy. Fotodrafitrasa natsangan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nambaran-dRamatoa Lalatina Rakotondrazafy Andriantongarivo nandritra ny lahateny izay nataony fa sambany no nisy Fitondrana nanome lanja manokana ny kolontsaina mifototra amin’ny famoronana sy fanofanana teto amin’ny Firenena. «  Toromarika nomenao anay nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny hanamafisana ny fampiofanana ireo tanora hahazo asa  », hoy izy. 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés