Webradio

FAHAIZA-MITARIKA HIATREHANA FIFIDIANANA : Mampiseho ny tanjany ny antoko TGV

Manao tombana ny zava-bita hataramin’izay ny antoko TGV ary mametraka paikady vaovao hiatrehana ny fifidianana manaraka eo. Tsy lefy laza, nahatety vanim-potoana ary mbola mijoro amin’ny tanjona sy ny tolona nimasoany. 1er juin 2022

Voaporofo ary nisongadina fa matanjaka sy manana ny heriny ny antoko TGV. Nahasedra vanim-potoana ary tsy lefy laza. Nanomboka tamin’ity volana mey ity, niroso tamin’ny fameloma-maso ny antoko ireo mpitarika avy amin’ny Birao nasionaly sy ireo mpandrindra isam-paritra. Tafiditra ao anatin’ny paikady ampiharin’ny antoko amin’izao ny fampahatsiahivana ireo toromarika samihafa entina mampandresy hatrany ny antoko amin’ny fifidianana izay ho avy eo. Tsiahivina fa afaka 16 volana katroka dia hanatanteraka ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fifidianana samihafa isika eto Madagasikara. Miomana ho amin’izany ny TGV. Izay koa no antony nanaovana ny “Redynamisation TGV” na fanetsiketsehana indray isam-paritra. Faritra maro no efa nanao izay ka santionany ny tany Amoron’i Mania, Betsiboka, Alaotra Mangoro…

Amoron’i Mania

Ny Depiote Christine Razanamahasoa no nitarika ny fameloma-maso ny antoko TGV Mapar tany amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Lany tamin’ity antoko ity izy ary manaja ny fitsipika mifehy ny antoko. “Antoko matanjaka indrindra ny TGV amin’izao, ary mbola mitana ny heriny sy vonona hisedra ny taona mifandimby, miatrika isika ary miomana mandrakariva mitana ny filamatra ijoroana”, hoy ny Depiote Christine Razanamahasoa, nandritra ny kaongresy rezionaly ny TGV-Mapar izay natao tao Amoron’i Mania, ny sabotsy 14 mey 2022 lasa teo. Nandritra io koa no nanaovana tombana ny fiainan’ny antoko, namolavolana ny paikady rehetra hanomezana aina indray ny TGV-MAPAR ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania.

Betsiboka, Distrikan’i Tsaratanàna

Ankoatra ny tany amin’ny Faritra Amoron’i Mania, nampiseho ny heriny koa ny TGV tao amin’ny Faritra Betsiboka. Tao amin’ny Distrikan’i Tsaratanàna no efa nahitana taratra izany. Ho an’ny tany an-toerana, natao tao amin’ny renivohitry ny kaominina Brieville ny hetsika. Voaporofo nandritra izany ny herin’ny TGV, ny fahavononany hisedra ny fifidianana mifandimby eo. Vahoaka an’arivony no tonga namaly ny antso. “Resy lahatra tanteraka ny vahoaka maro an’isa mikasika ny fitarihana ataonay mpitarika ny TGV Tsaratanàna amin’ny fanampiana azy ireo”, hoy ny Depiote Ratsimanosika Zozo Alexandre, voafidy tany an-toerana.

Tsiahivina fa tamin’ny taona 2018, mbola nanjakan’ny Tim tany an-toerana. “Mety maro ny antony fa roa no tena nisongadina : teo ny gaboraraka nataon’ny Fitondrana teo aloha(HVM) ka niteraka tsy fandriampahalemana mivaivay taty aminay nandritra ny 5 taona. Faharoa tsy tafapetraka teny ifotony ny “Base Tgv” izay tokony ho asan ‘ireo “Prezida depart” mpitarika TGV tamin’ izany. Maro koa ny nihevitra fa iray ihany ny HVM sy ny TGV ary izany no tena novoizin’ny Tim ka naharesy ny TGV tany aloha tany”, hoy hatrany ny fanazavan’ny Depiote Zozo, mipitarika ny TGV any amin’ity Distrika ity.

Marihina fa miisa 13 ny ben’ny tanàna ao amin’ny Distrikan’i Tsaratanàna amin’izao fotoana. Ny 11 amin’ireo dia voafidy tamin’ny anaran’ny TGV daholo ary ny roa tsy miankina. Fotoana vitsy taty aoriana anefa dia niova ho TGV koa ireo Ben’ny tanàna tsy miankina. “Izahay mahita fa hiroborobo ny TGV, ary mbolo hitombo avo folo heny noho izao amin’izao fametrahana anay hitarika ny “Depart Tgv” izao. Mino izahay fa tsy hisalasalana ny fahalanian’ny Filoha ankehitriny aty an-toerana raha mbola hilatsaka izy. Angatahanay ny hirotsahany”, hoy hatrany ny fanazavana.

Alaotra Mangoro

Isan’ireo Faritra efa nanatanteraka ny “Redynamisation TGV” ny tao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Niavaka ny tany an-toerana satria niara-dalana tamin’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena ankehitriny ny fanokafana fankalazana izany. Ny Birao politika tao Alaotra Mangoro kosa no nandrindra ny hetsika rehetra. Filaharam-be namakivaky ny tanàna, fihaonana mivantana tamin’ny vahoaka sy ny mpikatroka TGV, fiaraha-misakafo narahana fivoriana sy lahadinika. Ireo kosa no tena nisongadina tany an-toerana. Nodinihina sy napetraka tamin’io ny stratejia rehetra hanavaozana ny antoko TGV any amin’ny Faritra. “Marobe ny fotodrafitrasa vita taty amin’ny Faritra. Nojeren’ny Filoham-pirenena izahay, tsy nionona fotsiny tamin’ny fampanantenana izy fa tena notanterahiny ireo velirano nampanantenainy. Izany rehetra izany dia tsy handalo fotsiny ho an’ny mponina aty Alaotra Mangoro fa ho lasa hery indray handresena lahatra ny mponina hanohy ny ady efa natomboka”, hoy ny mpandrindram-paritry ny antoko TGV any Alaotra, nandritra ny fikaonan-doha ny 14 mey lasa teo. Marihina fa isan’ireo nisitraka fotodrafitrasa maro indrindra ny tany Alaotra Mangoro. Tamin’ity Fitondrana ity no nanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 izay nataon-dRavalomanana fitaovana hakana ny fon’ny vahoaka fotsiny tany aloha. Ny Fitondrana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, izay mpamorona ny antoko TGV koa no nametraka fotodrafitrasa tahaka ny toho-drano, lalan-kely sy nanolotra fampitaovana ho an’ireo tantsaha any an-toerana hoentiny mampivoatra ny fambolena sy ny fiompiana izay ifotorany.

Antsiranana

Ankoatra ireo, mahavita azy koa ny TGV any avaratry ny Nosy. Efa nisy ny “Redynamisation” nataon’ny mpitarika any an-toerana, ny Depiote Jocelyne Maxime nanasana ireo mpikatroka TGV rehetra. Nodinihina tamin’izany ny fanohizana ny tolona efa natomboka, fanatanterahana ireo fotodrafitrasa nampanantenaina. Vahoaka an’arivony moa no namaly ny antso ary samy resy lahatra ny rehetra fa vonona hiatrika fifidianana izay ho avy ny TGV any an-toerana. Amin’izao fotoana, efa miara-dia amin’ny Fitondrana sy manaraka ny loko volomboasary avokoa ny ankamaroan’ireo olom-boafidy.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés