Webradio

SAHO TAO BETAFO : Tsy voasakan’ny zandary ireo andian’ olona nanapitra aina ilay lehilahy very finday

Tovolahy iray antsoina hoe Rabemananjara Hajasoa Andrianina Andry no namoy ny ainy vokatry ny ratra sy vono niniana natao nahazo azy izay nampiharin’andian’olona tao amin’ny Distrikan’i Betafo. 1er juin 2022

Tranga niseho tamin’ny zoma faha-13 mey 2022. 

Hatramin’ny faran’ny herinandro lasa teo iny, niteraka resabe ny fahafatesan’ity tovolahy ity ary manameloka tanteraka ny fitsaram-bahoaka nihatra taminy ny fianakaviany. Ankehitriny, mangataka ny manam-pahefana rehetra izy ireo mba handray andraikitra hentitra momba ity tranga ity, ka tsy hamela moramora ireo nahavanon-doza. Namela mananotena sy zanaka iray izy. 

Halatra finday navadika fakàna an-keriny

“Very finday ity tovolahy ity ka nisy olona noahiahiany naka izany. Avy hatrany izy dia roso nikaroka ny olona noheveriny naka ny findainy tamin’ny toerana iray any Betafo ary niaraka tamin’ny vady aman-janany. Nandalo lehiben’ny fokontany sy ny kartie mobila izy mba hikaroka ny tranon’ilay antsoina hoe “Bruno”. Rehefa hitany ity olona naka ny findainy ity dia nentiny nanaraka azy ho eny amin’ny biraon’ny Polisy. Navadiky ny fianakavian’i Bruno ho fakàna an-keriny anefa izany, ka nifanenjehan’ny fokonolona izy. Zandary roa lahy sendra namita iraka tsy lavitra no tonga sy niatrika izany ka niantso ’’renfort" rehefa nahita fa nibosesika ny andian’olona. Tonga haingana, araka izany, ny fanampin’ireo mpitandro filaminana avy ao an-toerana sy Antsirabe”. 

Nosimbaina ny fiaran’ny zandary

Araka ny tatitra avy eo anivon’ny Zandary izay hatrany dia niezaka nandray andraikitra izy ireo. Niezaka nandresy lahatra ireo andian’olona efa ho an-jatony, izay tsy mahalala akory ny anton-javatra ny ankamaroany, mba hampijanonana ny fikasihan-tanana sy fandatsahana ain’olona. Efa voahodidina olona an-jatony maro anefa ireo mpitandro filaminana ary efa nanomboka nanimba ny fiaran’ny Zandary izy ireo. Novakian’izy ireo tamin’izany ny kodiarana roa. Niezaka niaro ny ain-dRatompokolahy hatrany izy ireo tamin’izany saingy nalain’ireo vahoaka feno hatezerana an-keriny tao anaty fiara izy ary efa voabahana sy tsy afaka nihetsika intsony. Azon’ny mpitandro filaminana natao tokoa ny nampiasa ny fitaovam-piadiana teny an-tanany saingy noho ny hamaroan’ny olona sy ny maha maizina ny andro izay efa tamin’ny folo ora alina, ka mba tsy hisian’ny ra mandriaka sy ny fanimbana fananana dia tsy nanam-pidiny izy ireo nanoloana ireo andian’olona feno hatezerana vokatry ny fanelezana vaovao tsy marina.

Melohin’ny lalàna ny fitsaram-bahoaka

Manao antso avo mandrakariva ny mpitandro filaminana mba hanamarina tsara alohan’ny hanaovana zavatra mihatra aman’aina ary koa mba hialana amin’ity fanaovana fitsaram-bahoaka ity satria melohin’ny lalàna izany. Efa misokatra ny fanadihadiana hahafantarana ny marina rehetra amin’izao fotoana izao, ka tsy maintsy hisy fepetra horaisina mahakasika ny zava-misy. Etsy ankilany, ny eo anivon’ny OMC distrikan’i Betafo koa dia efa mandray ny andraikiny sy manara-maso akaiky ity tranga ity. Entanina mandrakariva ny mponina na aiza na aiza Faritra misy azy eto Madagasikara mba hahatoky tanteraka ny asan’ireo Zandary hisorohana ny loza mahatsiravina tahaka izao. Ireo manana olana iangaviana mba hanatona ny toerana misy ny mpitandro filaminana ary hametraka ny fitokisana amin’izy ireo izay efa manao ny ainy tsy ho zavatra ho fiarovana ny aina sy ny fananan’ny vahoaka.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés