Webradio

HALATRA JIROFO AO TOAMASINA : Mpandraharaha efatra nidoboka am-ponja

Tsy nitsitsy ny Fitsarana raha nandray an’ ity raharaha anisany arahin’ny maro ao Toamasina, dia ny fahaverezana jirofo milanja 20 taonina tao amina magazay ana mpandraharaha ao an-toerana.  1er juin 2022

Raha ny angom-baovao dia famakiana magazay mihitsy no natao nahazoan’ ireto atidoha mpiketrika ny asa ratsy. Hatramin’ny herinandro lasa teo natomboka ny fanadihadiana teny amin’ny Zandarimaria misahana ny heloka bevava, raha ny talata 17 mey teo indray no tonga teo amin’ny lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ny raharaha. 

Olona maro no voarohirohy izay nahitana renim-pianakaviana miasa jirofo, ny mpiambina ny magazay ary ireo mpikarama mpibata entana, eo koa ireo trondro vaventy mpividy halatra sy mpampikarama ny jiolahy nangalatra sy nitatitra ny entana halatra ary ireo mpanera nitady mpividy. Ireo rehetra ireo dia samy nandalo fanadihadiana avokoa. Ny tompon’ny entana rahateo izay mpandraharaha vahiny tsy namela mahazo. 

Vokany, navotsotry ny Fitsarana avokoa fa atao fanaraha-maso ireo mpikarama izay tombanana fa tsy mahalala ny maha halatra an’ ilay jirofo fa efa-dahy izay heverina ho tena trondro vaventy ary mihevitra ny tenany ho tsy maty manota no naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy miandry ny fotoam-pitsarana sy fanadihadiana lalina ataon’ ny Mpitsara, raha mbola misy roa lahy hafa kosa nitsoaka ary karohina. Raha iverenana dia trondro vaventy efa mpamerin-keloka ny roa lahy amin’ ireo efatra noho ny resaka fanodinkodinana solika sy fananan’orinasa.

TH

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés