Webradio

RAHARAHA NIRINTSOA PRINCY : Nasiana Tsangambato ny faritra nisehoan’ny loza, andrasana ny tohin’ny Fitsarana

Taorian’ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina izay niafara tamin’ny fahafatesan’ilay tovovavy antsoina hoe Techer Nirintsoa Princy, vao 19 taona monja, mbola ao anatin’ny alahelo tanteraka ny ray aman–dreniny ankehitriny. 1er juin 2022

Manantena ny fandraisana andraikitra feno avy amin’ny Fitsarana momba io raharaha io ireo mana-manjo, raha ny tatitra voaray farany avy amin’ny fianakaviana tamin’ity volana mey 2022 ity.

Marihina mantsy, hoy izy ireo, fa hatramin’izao dia mbola tsy nisy ny fitsarana mikasika io loza io mihitsy, izay angatahin’izy ireo fandraisan’andraikitra amin’ny nandray an-tanana izany. Raha tsiahivina, ny volana novambra 2021 no niseho teny Itaosy ity lozam-piarakodia ity, ny fiara nitondra ilay tovovavy no tena voa mafy tamin’izany rehefa nidona tamin’ny trano fanaovana cash-point iray amoron-dalana ilay fiara nitondra azy. Ireo nahita maso ny loza moa tamin’izany no nanambara fa fiara roa nifanenjika sy nandeha mafy no mety ho nahatonga ny loza. Fito volana aty aoriana anefa mbola tsy fantatra mazava, manjavozavo ny raharaha amin’ny fianakaviana ary koa andrasan’ireto farany hatreto ny Fitsarana mba hanefa ny andraikiny.

Telo volana niaritra ny mafy 

Tovovavy tsara tarehy, nanana ny hoaviny mamirapiratra Ratompokovavy fony fahavelony, vavitokan’ny ray aman-dreniny no sady reharehan’izy ireo fatratra noho ny talenta sy fahaizana nananany, indrisy anefa fa nodimandry tamin’ny fotoana tsy nampoizina sy tampoka loatra. Etsy ankilany, niaritra ny mafy teo amin’ny telo volana teo izy nialoha ny nandaozany ny tany. Tsy mbola mety mino ny saina na dia tsy maintsy manaiky fandaharan’ilay Mpahary ireo rehetra akaiky azy. Isany marika lehibe tsy fahafoizan’ny fianakaviana ity tovovavy ity moa ny fametrahan’izy ireo tsangambato lehibe misy ny sariny mba hatao fahatsiarovana, napetraka teo amin’ilay toerana nisian’ny loza eny Itaosy Distrikan’Atsimondrano iny. Ny faha-15 mey 2022, datin’ny tsingerin-taona nahaterahany moa no nametrahan’izy ireo io tsangambato io notronin’ireo havana sy namany mba ho fanamarihana fa nanan-danja be tamin’izy ireo ny fisiany. Hafatra naverimberin’ny fianakaviana matetika hatramin’izao ny hoe “tena mbola marary ny fonay ary tsy mety mino ny saina”.

Niatrika fandidiana intelo 

Raha tsiahivina hatrany ireo tranga niseho taminy dia nilaza ireo fianakaviana fa tena niady mafy tanteraka i Nirintsoa raha toa ka tsy nahatsiaro tena nandritra ny telo volana tao amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Vokatry ny fivontosana be teo amin’ny faritry ny lohany no anisany nahatonga azy ho tsy nahatsiaro tena, efa niatrika fandidiana intelo sy nanatanterahana tolo-tanana sy fiombonam-bavaka tamin’ny tambajotran-tserasera facebook saingy tsy tana ny ainy na dia efa natao avokoa aza izay mety ho vahaolana hamonjena azy. Ny 08 febroary 2022 izy no lasa izay mbola nametraka ratram-po ho an’ny fianakaviany.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés