Webradio

POLITIKA

FISOROHANA DISADISAM-PIFIDIANANA : Misy andraikitra noesorina tamin’ny Sefo Fokontany

Miteraka resabe ankehitriny ny mikasika ireo Lehiben’ny Fokontany. Izy ireo izay efa tokony hisolo sy hamarana ny fe-potoam-piasany saingy mbola tsy misy resaka ny momba izany hatreto. 15 septembre 2022

Manana anjara andraikitra lehibe eny ifotony ireo sefo Fokontany. Anisany mampihodina ny fampandrosoana faran’izay bitika eny anivon’ny fiarahamonina izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany, ohatra, ny fanentanany ny mponina amin’ny fanatanterahana asam-pokonolona mba hahafahana manangana tetezana, manao lalankely ary ny fanadiovana ny tanàna amin’ny alalan’ny asa iombonana.
Raha ny eto an-drenivohitra manokana dia fantatra fa Fokontany maro no manana olana amin’ireo Lehiben’ny Fokontaniny, indrindra tamin’ireny fizarana fanampiana tosika ara-tsôsialy nataon’ny Fitondram-panjakana ireny. Tsy izany ihany koa anefa fa misy amin’ireo sefo Fokontany no voalaza fa manao fanamparam-pahefana fotsiny izao. Tranga tahaka izany no mampitaraina ireo mponina etsy Antohomadinika ao anatin’ny Fokontany Antsalovana Faami. Efa nisy mihitsy ny hetsika nataon’ireo mponina noentina nanalana ny sefo Fokontany tamin’izany. Ity farany dia voatonontonona amin’ny fakana vola tsy ara-drariny amin’ireo olona manana raharaha na taratasy karakaraina eny anivon’ny Fokontany, toy ny fampanofana trano sy ireo karazana taratasy fifampivarotana, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo mponina. Tsy misy manana ny fahefana hanala ireo Lehiben’ny Fokontany afa-tsy ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana irery ihany.

Tsy mitarika fanisana mpifidy intsony

Anisany voizin’ireo mpanohitra mafy amin’izao fotoana izao ny momba ireo Lehiben’ny Fokontany. Tetika ampy hitondran’izy ireo korontana mandritra ny fifidianana ny fanelezana vaovao tsy marina momba ny andraikitr’ireo sefo Fokontany. Ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Céni dia nanamafy fa tsy afaka mibaiko amin’ny fanovana ny sefo Fokontany izy ireo. Mba hisorohana amin’izay ny disadisa mety hitranga mandritra ny vanim-potoanan’ny fifidianana kosa dia nandray fepetra anefa ny Céni ka nisy ampahan’andraikitra tsy nomena ireo lehiben’ny Fokontany intsony. Manomboka izao dia tsy filohan’ilay Vaomiera eny ifotony misahana ny fanisana ny mpifidy intsony ireo sefo Fokontany. Nambaran’ny mpampaka-teny eo anivon’ny Céni, Randriamarotafika Soava fa anisan’ireo fanapahan-kevitra lehibe nivohitra nandritra ny fakan-kevitra niarahana tamin’ny fiarahamonimpirenena sy ireo hery velona rehetra teny ifotony izany. “Satria ny tontolon’ny fifidianana no ananany fahefana dia aleo tsy ny sefo fokontany intsony no mitarika ny fanisana mpifidy. Voalazan’ny didy aman-dalàna kosa ny maha mpikambana azy ôfisialy eo anivon’ity rafitra ity anefa  », hoy ny fanazavana. Antenaina, hoy hatrany izy, fa hisy akony goavana sy hainga eo amin’ny raharaham-pifidianana izao fanavaozan’andraikitra natao izao. 

Tsy tompon’andraikitra

Ny Filoha Andry Rajoelina dia nametraka paikady fa hatao latsa-bato amin’izay ny fametahana filoham-pokontany amin’ny toerany fa tsy tendrena toy ny hatramin’izay intsony. Noho izany dia tsy manana fahefana hanolo na hanova ireo Sefo Fokontany izahay, hoy hatrany teo anivon’ ny Céni. “ Voalohany ny fanavaozana na fanoloana ireo lehiben’ny Fokontany dia andraikitry ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Atitany, ary ny Lehiben’ny Distrika no manao ny fandraisan’andraikitra feno momba izany. Tsy misy ifandraisany mihitsy aty amin’ny asan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Céni izany. Raha ny fahafantarako aza dia misy fepetra takian’ny fehezan-dalàna hoe misy fe-potoana aorian’ny fifidianana ben’ny tanàna no tokony hiroso amin’ny fanavaozana ireo Lehiben’ny Fokontany. Ny tiako hambara dia tsy misy ifandraisany mihitsy ny aty amin’ny Céni  », hoy ny fanazavana. Ny hahatanterahan’ny fifidianana ao anatin’ny filaminana hisian’ny vokatra mangarahara sy ankatoavin’ny vahoaka no laharaham-pahamehana apetraky ny Céni. Izay rehetra heverina fa hanohintohina izany no sorohina mialoha.

Jaolahy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés