Webradio

FAMPANDROSOANA ENY IFOTONY : Harenina ny fandriam-pahalemana sy ny lalana any Beroroha

Tonga nitsidika ny tanànan’i Mandronarivo sy Sakena, Distrikan’i Beroroha ny delegasiona tarihin’ny Governora Dr Tovondrainy Ranoelson Edally.  15 septembre 2022

Tapaka ny hevitra fa hamboarina ny lalana mampitohy an’i Beroroha, Tanamary sy Mandronarivo ary Sakena izay hataon’ny Faritra sy ny Tetikasa Mionjo. Sarotra ny lalana mankaty fa saingy natao ho an’ny rehetra ny fampandrosoana ka maro ny fotodrafitrasa hajoro aty ankoatra ireo efa notokanana. Fantatra ihany koa fa hasiana hetsika manokana ihany koa ny momba ny fandriampahalemana any an-toerana.

Ny Governora Dr Tovondrainy Ranoelson Edally sy ny Prefe no nitarika ireo delegasiona. 

Sambany no nisy Mpitondra Fanjakana tahaka izao tonga taty an-toerana, ho fanatanterahana ny Velirano faharoa izay nataon’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Politika Ankapoben’ ny Fanjakana izao fidinana ifotony izao. Nanentana ny rehetra ny Governora mba hiara-hiasa amin’ny fampandriana fahalemana ny any an-toerana ary nambarany fa io fisian’ny dahalo io no mahatonga ny mpamatsy sy mpampiasa vola tsy mety hiasa aty an-toerana. Ny tetikasa Mionjo irery no tokana efa resy lahatra hiasa amin’ity distrika ity hatreto. Hiezaka anefa ity tompon’andraikitry ny Faritra ity ny hamafa ny tsy fandriam-pahalemana io mba hisintomana ny mpamantsy vola ary hamadika ny tantara satria manana harena tsy hita pesimpesenina ity distrika ity ary tokony ho mora hampandrosoina. Ny mponina aty an-toerana rahateo efa liana amin’ny fampandrosoana izay ary efa maro ny mampianatra ny zanany.

Nisy ny dinikasa fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra, izay niarahana tamin’ireo mpanatanteraka ny Dinabe sy ny mpitandro filaminana izay miara-miasa ho an’ny fampanjakana ny filaminana. Fotodrafitrasa toy ny lalana, tambajotran-tserasera (Orange, Telma, Airtel), toeram-pitsaboana ary Fampianarana sy ny tsy fandriam-pahalemana no tena manahirana ny olona ao Mandronarivo sy Tanamary ary Sakena izay kaominina azo lazaina fa mitoka-monina noho ny haratsin’ny lalana. Nandrosoana vahaolana avokoa ireo rehetra ireo fa indrindra ny sehatry ny fandriam-pahalemana sy ny lalana ary ireo fotodrafitrasa. Trano fivarotana vaovao avy amin’ny famatsiam-bola FDL no notokanan’ireo manam-pahefana teto namaranana ny fotoana. Ny tetikasa Mionjo no nanao tantsoroka sy nanampy ara-bola nahatanteraka izao fidinana ifotony izao. 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés