Webradio

NARARY EFA AN-TAONANY : Mampahery ireo tsy salama toa azy i Diamondra

Na dia nikiky an-dRandrianjatovo Maminirina Diamondra an-taonany maro aza ny aretina nitaiza azy, tsy kivy izy fa mitraka hatrany ankehitriny, hahafahany manatratra ny tanjona sy ireo nofinofiny fony fahakely toy ny ankizy rehetra. 15 septembre 2022

Tovovavy 20 taona monina eny Itaosy, Distrikan’Atsimondrano, kamboty ray sy reny, lasa nalemy, nitondra takaitra amin’ny vatana vokatry ny aretina nahazo azy i Diamondra. Efa dimy taona teo izay no niaina tao anatin’ny aretina izy saingy nandritra ny resadresaka nifanaovana taminy dia nanamafy ity farany fa tsy atao sakana velively izany fa tsy maintsy miroso ary koa tsy mahazo mihemotra izany eo amin’ny fiainana. Nofinofiny rahateo koa ny mba ho lasa “hôtesse de l’air” any aoriana any saingy noho ny aretina nahazo azy dia mbola mandinika tsara indray aloha hatreto. “Tsy maintsy tratrako ny tanjoko, izay noao an-dohako”, hoy hatrany izy. Araho ny tafatafa nifanaovana taminy.

Inovaovao (INV) :
Iza marina moa i Diamondra ?

 Diamondra (D) :  
 Randrianjatovo Maminiriana Diamondra no anarako, 20 taona aho amin’izao. Roa izahay no iray tampo, izaho no zokiny ary manana zandry lahy aho. Ny taona 2009 ny raiko no nindaosin’ny fahafatesana rehefa nijanona tampoka ny fony, ny taona 2018 kosa ny reniko no maty vokatry ny harerahana be loatra. Azo lazaina fa reraka tamin’ny fitsaboana ahy i Mama. Tsy zakan’ny sainy angamba ny mahita ny zanany farofy lava amin’ ny aretina, tena nahia be loatra. Satria raha tsiahivina tamin’izany dia tena lasa taolana nifono hoditra sisa aho vao nanomboka hita soritra ny tsy fahasalamako. Ny zokin’i Mamako roa vavy no mikarakara anay mianadahy efa elabe, mandrak’ankehitriny.

Inovaovao (INV) :
Inona ilay aretina tena nikiky anao an-taonany maro ?

 Diamondra (D) :  
Araka ny valin’ireo fitiliana izay natao tamin’ny taona 2017 dia fantatra fa raboka amin’ny taolana na “ tuberculose osseuse” no mahazo ahy, izany hoe 5 taona aho izay no tsy mba afaka nandeha intsony fa atosika amin’ny seza misy kodiarana ireny foana, nefa izaho taloha tena natanjaka tsara mihitsy. Natao avokoa ny fitsaboana rehetra ny taona 2018 sy ny taona 2019. Rehefa hita fa nisy fivoarana be ny toe-pahasalamako dia nanomboka niverina nianatra tany an-tsekoly amin’izay aho. Tsy atao mahakivy fa mbola mitohy ny fitsaboana ary manana fanantenana goavana be hatreto.

Niezaka niara-niaina tamin’ilay aretina, nohalaviriko izany hoe fahakiviana izany. Nandritra ny 02 taona teo aho no tsy afaka nianatra noho ny aretina nahazo ahy fa nanomboka ny taom-pianarana 2020- 2021 no niverina nianatra kilasy voalohany tamin’izay fotoana izay tao amin’ny Saint Michel Itaosy. Natosika teny ambony seza misy kodiarana foana aho tamin’izany no nandeha nianatra. Nanala fanadinana bakalorea teo aho ary afaka soa aman-tsara no isan’ireo nisongadina. Tsy mijanona ny dia fa miroso hatrany…

Inovaovao (INV) :
Aiza ho aiza ny fizotran’ny fitsaboana amin’izao fotoana ?

 Diamondra (D) :   
Voalohany, isaorako betsaka mandrakariva ireo nanohana ahy ara-tsaina, ara-bola sns... , na fianakaviana izany na namana sy ireo olona mahafantatra. Azo lazaina ho mizotra tsikelikely miandalana ny fahasalamako. Mbola tsy dia mahay mamindra loatra ny tongotro amin’izao. Ny tongotra havia no tena voa mafy satria tsy mbola mahabaiko tena mihitsy hatreto... Fa mandeha miadana dia izay mahasoa ataon’Andriamanitra satria efa lany vola be ihany koa ny fianakaviana tamin’ny fitsaboana ahy. Tsy kivy izahay fa miezaka mitady foana. Mbola mitohy ny fikarohana vahaolana mba hanatsarana ny fivoaran’ny toe-pahasalamako. Ireo izay maniry te hihaona amiko na te hitafa sy hifandray amiko kosa dia ity ny laharana ahazoana ahy : 034 42 855 20, afaka mifandray amiko ao amin’ny tambajotran-tserasera ihany
koa amin’ny kaonty : Diamond Theresa 

Inovaovao (INV) :
Inona no hafatr’i Diamondra amin’ireo mpiara-belona misedra olana ara-pahasalamana ?

Diamondra (D) :  
 «  Tsy ho kivy amin’ny fiainana izany mihitsy  ». Io mandrakariva ny tanjona efa napetrako hatramin’izay. Mino aho fa matoa mbola ohatr’izao dia misy drafitra mahafinaritra omanin’Andriamanitra amiko. Ary izy mahalala ny iheverana ahy ihany koa. Ho an’ireo mpiara-belona amiko manana olana goavana raha toa ka te handroso ianao dia mila fahatoniana ara-tsaina voalohany indrindra. Manimba zavatra be dia be eo amin’ny fiainana ny fahakiviana ka mila halavirina. Mila manaiky ihany koa ny toerana misy anao izay tsy ifaninanana amin’ny hafa mihitsy. Ny tena tsiambarateloko dia ny mifaly foana na inona na inona miseho. Tsy mila manary toky fa Andriamanitra tena miasa ary tsy takatry ny saina ny fomba fiasany.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés