Webradio

FANJIFANA AO MAHAJANGA : Ireo vehivavy arabo sy karàna no mampiroborobo ny Dalaly

Anisan’ny mampiavaka an’i Mahajanga ny varo-mandeha anaty tanàna na dalaly. Noho izy maro Karana sy Arabo izay manana ny kolontsainy manokana no tena nampiroborobo ny varo-mandeha. 15 septembre 2022

 Ireo vehivavy avy any Atsimo no tena mpisehatra amin’ny varotra legioma sy voankazo. Tsy dia mivoaka ny trano mankeny an-tsena mantsy ireo vehivavy Arabo sy Karana, hany ka ny mpivarotra no manatona azy ireo mitondra entana amidy. Betsaka amin’ny entana amidin’izy ireo no tsy hita eny an-tsena fa natokana ho an’ireo sokajin’olona ireo. Noho ny fananany fahefa-mividy ambonimbony dia lafolafo ihany koa ny entana amidy amin’izy ireo ary amin’ny kalitao tsara.

Eny amin’ny fokontany Mahajanga be no tena iasan’izy ireo. Tsy mivoaka akory ireo mpividy fa mijanona eny amin’ny rihana ambony misy azy ireo. Eo an-davarangana ambony ny mpividy ary eo amin’ny arabe ny mpivarotra. Rehefa raikitra ny ady varotra dia ampidinina amin’ny tady ny harona kely misy ny vola ary ampiakarina amin’iny ihany koa ny entana novidiana.

Ankoatra ireo vehivavy arabo sy karàna izay efa mpanjifan’izy ireo dia misokatra amin’ny tsena hafa koa ny dalaly. Misy amin’ireo mpivarotra no mitety ireo biraon’ny orinasa tsy miankina sy ny biraom-panjakana.
Amin’ny ankapobeny, lafo kokoa ireo entana atao dalaly, indrindra ny maraina. Fa mihena kosa rehefa antoandro. Saika ny maraina ihany no miasa ireo mpanao dalaly fa ny tolakandro dia tsy miasa intsony.

Efa misy mpahandro ho azy ireo

Noho ireo vehivavy ireo tsy mipetraka an-trano fa mandeha lava dia efa misy naman’izy ireo ihany koa manao tolotra manokana, mahandro sakafo sy mivarotra hani-masaka. Eo akaikin’ny Quai orange sy ambadiky ny magro iny no misy azy ireo. Sady madio no mora ireo sakafo amidy eny. Karazana sakafo fahandron’ireo havana any atsimo kosa ny ankamaroany.

Dalaly anana

Vao maraina ihany no mandalo ireo mpanao dalaly anana. Amin’ny ankapobeny dia ireo mpamboly anana na ireo mpiantoka voalohany no manao ity asa ity. Mora dia mora ny vidin’ny anana amin’izy ireo satria ampahefan’ny vidin’ny anana eny an-tsena. Ny mpiantoka farany kosa dia ireo mivarotra mipetraka eny an-tsena manariva andro.

Dalaly hen’omby

Lehilahy indray no tena manao varo-mandeha hena eo an-tanàna. Saika andalovan’izy ireo ny fokontany rehetra saingy samy manana ny fokontany manavanana azy. Hen’omby no tena amidin’izy ireo. Tsy mivarotra amin’ny kilao intsony fa vongany iray no lanjaina. Anisan’ny amidin’izy ireo ny atiny ary ny nofon-kena sy ny trafony. Afaka manafatra ihany koa ka ny ampitson’iny no aterin’izy ireo any an-trano.

Trondro saly

Anisan’ireo vokatra be mpivaro-mandeha ny trondro nasaly “poisson fumé” eto Mahajanga. Samy mivarotra azy avokoa na lahy na vavy na zaza. Samy hafa kosa ny mpamatsy azy ireo. Misy ireo mpanarato ihany na ny vadin’izy ireo no manao azy ary misy koa ireo orinasa kely, efa miezaka manara-penitra. Araka izany dia mila fitandremana satria miova araka ny nanamboarana azy ny kalitao. Thon sy espadon no tena fanaovan’ny olona poisson fumé eto Mahajanga. Arakaraka ny habeny ny vidiny ka manodidina ny 2500 ariary ka hatramin’ny 10 000 ariary ny iray.

Fandrama

Efa misy ireo mpivarotra no nisafidy manokana ny tsy hivarotra raha tsy fandrama na tantely. Raim-pianakaviana iray no efa fantatry ny maro amin’ity fivarotana fandrama ity eto Mahajanga. Avy any Ankarafantsika sy ny distrikan’i Mitsinjo sy Soalala ny fandrama amidiny. Ankoatra ny varo-mandeha ataony dia saika voatetiny avokoa ireo tsena lehibe eto Mahajanga. Ho an’ireo efa zatra azy dia miantoka ny kalitaon’ny fandrama amidiny izy fa tsy siramamy no nanaovana azy. 

Filao sy hazan-dranomasina

Eny amin’ny fokontany Amborovy indray no tena ahitana ny mpanao dalaly filao sy hazan-dranomasina. Alaina mivantana amin’ireo mpanarato vao tody izy ireo. Saika trondro lehibe toy ny mérou, madame tombé, rouget, sole….. no amidin’izy ireo amin’izany. Misy kosa alaina amin’ireo mpanangom-bokatra. Lafo kokoa ny vidiny ivarotan’ireo mpanao dalaly azy raha mitaha amin’ny eny an-tsena, satria dia mahatratra 15 000 ariary ny kilao raha toa ka mbola 12 000 ariary ny kilao eny an-tsena. Ny drakaka koa dia mahatratra hatramin’ny 20 000 ariary ny kilao, ny makamba 30 000 ariary ny kilao ary ny langoustes dia mbola lafo noho ny any Antananarivo satria mahatratra hatramin’ny 60 000 ariary ny kilao. Misy ihany koa anefa mpanao dalaly filao any amin’ny fokontany hafa. Izy ireo no miantsoantso. Izy ireo kosa dia mivarotra ireo trondro madinika toy ny karapapaka.

Ronono sy yaourt soja

Taona vitsivitsy izay dia nipoitra teto Mahajanga ihany koa ny fivarotana ronono sy yaourt vita amin’ny soja. Tamin’ny fanombohana dia ‘glacière’ no nentin’izy ireo nitazonana ny hatsiakan’ ny vokatra amidin’izy ireo. Maro ny mpankafy. Nihamaro ny mpanjifa dia nitady vahaolana ahafahana mitondra vokatra bebe kokoa ireo mpivarotra ka nanomboka nanao sarety kely na “chariot” sarihin-tanana. Taty aoriana indray dia bisikileta no ampiasain’izy ireo mitarika “glacière” lehibe. Amin’izao fotoana moa dia efa misy “tricycle à moteur”. Saika ahitana azy ireo ny sampanan-dalana ary misy ny sarangan’olona rehetra ny mpanjifan’izy ireo.
Vahaolana amin’ny tsy fahampian’ny toerana ivarotana ny fanaovana dalaly. Manala olana ny mpanjifa tsy afaka mandeha lavitra mitoha tsena ihany koa, nefa mampiditra vola amin’ny kaominina ihany satria mandoa haba izy ireo. Ankoatra izay dia orinasa kely ho an’ireo mpivarotra, sady mamelona fianakaviana maro.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés