Webradio

POLITIKA

FOTODRAFITRASA MARO ANY AVARATRY NY NOSY : Nahatanteraka ny veliranony tamin’ ny vahoaka ny Filoha Rajoelina

Asa fa tsy kabary. Tsy nofy, tsy fampanantenana intsony fa asa mivaingana miantraika amin’ny fiainam-bahoaka. 21 septembre 2022

Fotodrafitrasa maro no nositrahin’ny mponina any amin’ny tapany avaratry ny Nosy noho ny ezaka nataon’ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina. Nijoro vavolombelona ireo mponina any Ambilobe sy Vohemar fa ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina no hany Filoha nahavita fotodrafitrasa maro indrindra tany an-toerana. Amin’izao fotoana, efa vita tanteraka ny lalam-pirenena faha- 5 A (RN 5), mirefy 151,702 km mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar.

Lalana izay tena nampitaraina ny olona avy aty amin’ny Faritra SAVA sy DIANA fatratra satria ratsy dia ratsy ny lala-pirenena faha-5A na RN-5A. Rehefa tonga ny andro asara (fahavaratra) dia herinandro no nanaovana izany lalana izany. Ankehitriny anefa dia vita ao anatin’ny ora 2 sy 50 minitra ary ora iray latsaka aza, ho an’ny fiara tsy mataho-dalana. Izay no nahatonga an’ilay fitenenana malaza hoe  :  "Bye bye godra". Mitentina 157 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola an’ity tetikasa fanamboarana ny RN-5 A ity. Ny Fanjakana Malagasy, ny The export - the import Bank of China ary ny Fanjakana Sinoa no namolavola ny tetikasa. Banky sinoa no namantsy ny vola. 

Taloha 100 000 Ariary  ny saran-dalana mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar, ankehitriny lasa nidina 20 000 Ariary. Misitraka izany avokoa ny vahoakan’ ny Faritra SAVA sy DIANA. Ankoatra izay dia afaka mivezivezy malalaka ny vahoaka.  Nanatsara fari-piainan’ olona maro ny fahavitan’ity lalana ity. Nisaotra sy nankasitraka ny Filoha koa ny filoha lefitry ny Antenimieran-doholona any avaratra, Besoa Éric raha nilaza fa ny Filoha Rajoelina tsy mba nijery fiaviana fa nanaovany asa avokoa manerana an’i Madagasikara. 

“Parc centrale solaire” lehibe

Ankoatra ny lalana, nametrahana  “Parc centrale Solaire” na sahana takelaka fakana herinaratra avy amin’ny masoandro lehibe mahavita mamatsy ny mponina any an-toerana. An’ny orinasa GES (green energy solutions) izy ity, hamatsy jiro ny tanànan’i Vohemar ary miara-miasa amin’ny orinasa Jirama amin’ny fitsinjarana herinaratra. Afaka mamokatra 800 Kva isan’andro entina hamaliana ny filan’ny vahoaka ao an-toerana ny milina. Manana vondrona mpihary herinaratra (groupe électrogène) miisa 2 atao fiandry azy ireo raha sanatria ka misy ny olana teknika tampoka. Nanamafy ny Filoha Andry Rajoelina fa  : " foana tanteraka ny delestazy ao Vohemar manomboka izao  raha niharan’ny fijaliana tamin’izany fahatapahan-jiro lavareny izany ny vahoaka ao an-toerana".  Nisaotra manokana ny Filoha ny Ben’ny tanàna ao Vohemar nandritra ny fandraisam-pitenenany. “Maro ny Mpitondra teto fa ianao no mahavita azy”, hoy ny voalazany. Nanantitra koa ny Depiote ao Vohemar fa "miteraka asa sy  fampandrosoana ny fahavitan’ny RN- 5 A”. 

Hanohana hatrany ny Sinoa

Nandritra ny lahateniny kosa no nanamarihan’ny masoivohon’i Chine, Guo Xiaomei fa efa feno 50 taona tamin’ity taona ity ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’i Chine sy i Madagasikara. Maro ireo  tetikasa niaraha-niasa no tontosa, toy ny fanamboaran-dalana Ivato-Tsarasaotra, ny lalan’ny Atody, ny Tetikasa hisitrahana  fahitalavitra avy amin’ny zanabolana ho an’ny tanàna afrikanina miisa 10 000, ka ny 500 amin’ireo dia eto Madagasikara. Teo koa ny fanampiana vonjy taitra ireo traboina.  Izany rehetra izany dia nisy akony lehibe tamin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fampandrosoana ara-tsosialy an’i Madagasikara ary nitondra tombontsoa mivaingana ho an’ny vahoaka malagasy. Nanteriny koa fa tamin’ny novambra 2021, notontosaina tao Dakar ny fihaonambe ministerialy faha-8 ho an’ny fiaraha-miasan’i Chine sy i Afrika (FOCAC), izay nanambaran’i Chine fa hiara-hanatanteraka fandaharan’asa miisa 9 amin’ireo Firenena Afrikana ao anatin’ny telo taona manaraka i Chine. Vonona ny hiara-hiasa amin’i Madagasikara i Chine mba hampifandrindra ireo fandaharan’asa miisa 9 ireo amin’ny “Initiative Emergence Madagascar” sy mba hampivaingana ny vokatry ny fihaonambe momba ny fiaraha-miasa amin’i Chine sy i Afrika ary koa hanome ainga vao eo amin’ny fiaraha-miasa, ka ho modely amin’ny fiaraha-miasan’i Chine amin’i Afrika ny fiaraha-miasa Sinoa-Malagasy. Mbola hanohana hatrany ny Fitondrana hanangana fotodrafitrasa tahaka izao koa ry zareo Sinoa, araka ny lahateniny hatrany. 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés