Webradio

BIBY GOAVANA AN-DRANOMASINA : “Ny fiaimpiain’ny trozona mihazo ny Nosintsika

Nanaitra ny maro ihany koa ny fahitana trozona na «  baleine  » maty sy efa mamofona teny amin’ny torapasik’i Grand Pavois, ny herinandro lasa teo. 21 septembre 2022

 Heverina ho mbola zanany ity biby hita faty ity. Ankoatra ity teto Mahajanga ity dia fantatra fa faritra maro teto Madagasikara koa no efa nahitana fatina trozona natopan’ny onjan-dranomasina teny amin’ny torapasika. Hitondra fanazavana ny mety ho anton’ny fahafatesan’ireto hazandrano lehibe ireto ny Dr Norbert Andrianarivelo, talen’ny Institut d’enseignement Supérieur Anosy. 

Nanambara ity manam-pahaizana ity fa isan-taona dia misy ny atao hoe «  échouage de baleines à bosse  » na fihitsohan’ny trozona  teto Madagasikara. Manodidina ny 39 eo izy ireo no hita tamin’iny faritra Atsimo iny hatramin’ny taona 2019. Tamin’ity taona 2022 ity dia niakatra be izany fihitsohan’ny trozona izany raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. Efa miisa 13 ireo trozona hita nihitsoka manodidina an’i Madagasikara hatreto. Mbola tsy fantatra mazava ny antony mety nahafaty azy ireo satria raha ny tao amin’ny torapasik’i Libanona ao Taolagnaro dia tsy nahitana ratra avy amin’ny fitaovana fanindrona hihazana na “harpon” ny vatany… Azo heverina fa fahafatesana voajanahary izany no nahazo ity biby goavana ity. Misy koa ny ahiahy fa mety ho avy amin’ny fiovaovan’ny toetrandro no mitarika izao fihitsohan’ny trozona matetika izao saingy mbola mitohy ny fikarohana mikasika izany ankehitriny. 

Biby mampinono

Nanazava hatrany ny Dr Andrianarivelo fa biby mampinono ary mafana ra ny trozona. Misy karazany 30 izy ireo maneran-tany ary karazany valo ka hatramin’ny folo eo no mandalo eto Madagasikara. Mifanerasera amin’ny alalan’ny hira ny trozona ary ny lahy no tena manao izany. Mitovy fihetsika amin’ny ombilahy izy ireo amin’izany ary mitrena ihany koa. Henon’ireo namany hatrany amin’ny 10 km izany ka izany no tsy mahadiso lalana azy ireo. Ny “baleine à bosse” dia karazany iray amin’ireo mpandalo eto Madagasikara ary anisan’ny malaza ihany koa. Biby mpifindra monina izy ary any amin’ny ranomasina antarktika izay toerana mangatsiaka any amin’ny ila-bolantany atsimo no ipetrahany maharitra. Mahavita 16 000km isan-taona izy ireo ary miakatra mamonjy toerana mafana mandritra ny fotoanan’ny fananahana (fanarahana sy fiterahana). Manodidina ny 17 ka hatramin’ny 37km isan’ora ny hafainganam-pandehany eny an-dranomasina. Sokajiana ho anisan’ny ‘omnivores’ izy ireo, mihinana “phytoplankton”, “krill” na zanaka tsitsika, trondro madinika… 

Mirefy 15 metatra ary milanja 35 taonina

Mahatratra 35 taonina ny iray lehibe ary mirefy mihoatra ny 15 metatra. Ny volana jona izy ireo no tonga aty amin’ny ranomasin’i Madagasikara ary ny volana novambra no miverina any amin’ny Antarktika. Mitady toerana milamina izy ireo rehefa hanao hanaraka na hanao “accouplement” sy hiteraka ka izany no mahatonga azy ireo mankany amin’ireny helodrano ireny. Saika ahitana azy ireo avokoa ny ranomasina manodidina an’i Madagasikara. I Sainte Marie moa dia nanao hetsika manokana na “festival” mihitsy hijerena azy ireo amin’ny fotoana fandalovany any an-toerana. Eto Mahajanga dia efa misy mpitondra mitsangantsangana ihany koa ho an’ireo te hijery azy ireo. Ireo trozona vavy nahavita “accouplement” no mody alohan’ ny volana septambra satria haharitra iray taona eo izy no mitondra vohoka. Ireo vavy avy niteraka ary mbola mampinono sy mampianatra ny zanany no mody farany, ny volana oktobra sy novambra. Misy trozona lahy miray dia amin’izy ireo amin’izany.

Misotro ronono 360 litatra isan’andro

Mahalany ronono 300 ka hatramin’ny 360 litatra isan’andro ny zana-trozona iray, izay milanja iray taonina raha vao teraka. Iray taona sy tapany ka hatramin’ny roa taona no faharetan’ny fampinonoana. Mandra-pahalehibeny dia betsaka ny zavatra mety mahazo azy ireo : ny aretina avy amin’ny katsetsitra na “parasites” (zoonoses), ny fihinanan’ny biby hafa azy (requins blancs sy orques), ny fahalotoana ara-tsimika sy ara-peo ary avy amin’ny akora plastika. Mbola ao koa ny fanjonoana tsy nahy, ny fifandonany amin’ny sambo izay samy mahafaty azy avokoa.

An’arivony ireo nandalo tamin’ny 2014

Biby arovana tanteraka ny trozona ary efa mihamaro taranaka ankehitriny araka ny nambaran’ireo manam-pahaizana. Noho ny fiovan’ny toetrandro anefa dia mihena ny sakafony, ary voaelingelin’ny asan’olombelona izy amin’ny fifindra-monina ataony. Ankoatra ny fanjonoana tsy nahy sy ny fifandonana amin’ny sambo dia misy fiantraikany ratsy amin’izy ireo ihany koa ny ‘acquisition sysmique’ ataon’ireo mpikaroka solitany. Folo taona mahery lasa izay dia karazana feso na “dauphins” marobe no tafiditra amin’ny sirasira tamin’iny faritra Antsohihy iny noho ny “acquisition sysmique” nataon’ny orinasa mpikaroka solika iray. Very ireo biby ireo satria “ondes” no ifandraisan’izy samy izy ary marefo izy ireo amin’izany lafiny izany. Ny taona 2014 dia manodidina ny 1200 ka hatramin’ny 2 000 any ho any ny trozona nandalo eto amintsika isan-taona, hoy hatrany Dr Andrianarivelo, saingy efa mihoatra izany izy ireo ankehitriny. Miisa 13 izao ny zanaka trozona hita faty ankoatra ny tsy hita.

Misy karazany telo

Tafiditra amin’ny atao hoe “mammifères marins” na biby mampinono any an-dranomasina ny trozona.  Izany hoe tsy filao na trondro izy ireo fa biby miaina tanteraka na amin’ny ampahany anaty ranomasina. Manana havokavoka, volovolo, nono ary miteraka sy mampinono ny zanany. Misy karazany telo izy ireo dia ny carnivores misy ny pinnipèdes (phoques, otaries, morses…) sy ny fissipèdes (loutres de mer sy ny ours blancs). Ny Siréniens ahitana ny lamantins sy ny dugongs ary ny cétacés ahitana ny baleines, dauphins ary marsouins…. Noho izy manana havokavoka dia miakatra matetika eo ambony rano mitroka rivotra. Maro ny fihetsika ataony amin’izany ka amin’iny indrindra no anararaotan’ny olombelona mijery azy ireo avy eny ambony lakana na sambo.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés