Webradio

ZAVAKANTO SY ASA TANANA : “Lasa marobe ireo Malagasy manjifa ny vokatra sary vita amin’ny tanana”

Hita taratra eny amoron-dalana eny Analakely sy ny faritra maro eto an-drenivohitra ireo olona miangaly sary sy hosodoko. 21 septembre 2022

 Sokajin-taona maro no hita ho misehatra amin’izany ; ao ireo efa nahazo taona, ao koa anefa ireo tanora vao erotrerony. Tanora iray no niresadresaka manodidina izany no hoentina eto. Nasongadina tamin’ny tafa nifanaovana taminy ny filazany fa efa mahaliana Malagasy maro ny manjifa ireo vokatra vita malagasy amin’ny sary atao tanana ity.  

Hita sy tsikaritra eny anivon’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny ny finiavan’ireo tanora amin’ny fanaovana sary, misehatra amin’ny asa tanana malagasy. Mampiseho ny fahatsarana sy ny fiavahan’i Madagasikara amin’ny Firenena hafa manerana izao tontolo izao. Asa efa manomboka mivelatra raha ity asa tena iray ity no resahina saingy mila finiavana sy fahaizana ihany, raha ny fanazavan’ny mpanao hosodoko iray nanaovanay fanadihadiana momba ity tontolo ity. I Harijaona, tovolahy iray mpanao sary sy mpivarotra ny sanganasany etsy Andohan’Analakely, mankafy sy miangaly izany ary koa saika ny fianakaviany iray manontolo mihitsy no mpanao sary. Izy no hiresadresaka sy hizara ny tontolo manodidina ny momba ny fanaovana sary hosodoko, asa tanana vita malagasy. 

Iza marina moa i Harijaona ? Nahoana no lasa mpanao sary ?

Manodidina ny 40 taona tany ho any izao ny fianakaviako no nisehatra sy nivelona tamin’ny fanaovana sary. Azo lazaina fa talenta efa ao anatinay izy io no sady tiana rahateo, hany ka tsy dia nananosarotra loatra fa efa iainana isanandro. Harijaona ny anarana ahafantaran’ny olona ahy raha amin’ity fanaovana sary ity. Vadin’asa ihany izy io aloha hatreto satria vao nanomboka tamin’ny fihibohana tamin’ny fiandohan’ny valanaretina covid no tena niantsehatra tao anatin’izany aho. Ny fianakaviako no efa ela dia ela tokoa no niasa tena tamin’izy io. Nanomboka ny taona 1986 no efa nivarotra amoron-dalana ireo sanganasa marobe isan-karazany teo Andohan’Analakely ny ray aman-dreniko sy ireo zokiko. Teo amin’ny faha-15 taonako kosa aho no nanomboka nianatra tsikelikely nanao sary sy nianatra namoaka ny sanganasako. Talenta no sady nolovaiko tamin’ireo fianakaviako ny fanaovana sary. Misy ny sary foroniko rehefa tonga ao an-tsaina dia ezahina tanterahina, misy ihany koa ireo alaina tahaka. Vao vetivety aho no tena nanomboka sahy nivarotra ireo asa tanako, rehefa hitako fa nihatsara sy nisy fivoarana ny ezaka. Etsy ankilany dia vadin’asa ihany izy ity hatreto ankoatra ny maha mpanao sakafo ahy amina Hotely lehibe iray eto an-drenivohitra.

Asa mahavelona ve izy io e ?

Amiko manokana aloha dia tsia e ! Taloha dia manaiky aho satria tena nahavelona ny fianakaviako tokoa ary nandeha be tsy araka ny tsena aza tamin’izany. Betsaka ireo kaomandy voaray isanandro ka ny teratany vahiny no tena nanjifa tamin’izany rehefa mbola niroborobo ny sehatry ny fizahantany teto amintsika. Ankehitriny, sarotra dia sarotra. Tsy misy mihitsy ny tsena. Eny fa na dia efa amoron-dalana hatrany aza izahay no mitady ireo mpanjifa. Ny antony dia vokatry ny tsy fisian’ireo mpizaha tany loatra intsony nandritra ny fisian’ny valanaretina covid. Manginy fotsiny ny fahalafosan’ireo akora fampiasa amin’ny fanatanterahana ny asa, izay mahatonga ny vidin’entana lafo dia lafo ihany koa, hany ka lasa tsy zakan’ireo mpanjifa intsony ny sarany. Mahatratra aman’hetsiny mihitsy mantsy ny vidin’ireo akora ampiasainay mpanao sary amin’izao fotoana izao. 
Hafatra ho an’ny tanora namako roboka sy vonona hisehatra aminy dia tsara kokoa raha atao vadin’asa ihany aloha satria misy fotoana sy voafetra ihany ny mampandeha ny sary eto Madagasikara. Ankehitriny, manomboka volana mey ka hatramin’ny aogositra isan-taona no mba tena mandeha ny tsena ao anatin’ny taona iray. Amin’ny andavanandro kosa dia zara raha mahalafo sary iray ao anatin’ny iray volana rehefa tena mangina izay ny tsena. Na izany aza anefa dia tsy kivy fa mbola eto foana izahay satria tiana ny sary ary efa talenta ao anaty rahateo.

Betsaka ve ny Malagasy manjifa
ny vokatra ?

Amin’izao vaninandro iainantsika izao aloha dia tena mahafaly ahy tokoa satria dia tena lasa betsaka ireo Malagasy no manjifa ny asa tanana amidinay ary mahasahy mividy lafo, manandratra avo ny asa tanana, ireo zavakanto malagasy, indrindra fa ny sary taorian’ny fihibohana. An’alina hatramin’ny an-tapitrisany ny saran’ny sary ka arakaraka ny kalitao sy ny habeny no amarotanay azy. Eto aho dia tena manentana ireo mpiray tanindrazana amiko mba hifanohana sy hifampizara traikefa satria izany no mitarika any amin’ny fampandrosoana. Tsy hiandry fotsiny ihany ireo vahiny mba hankamamy ny antsika fa isika mihitsy no mila mifanohana manandratra avo ny antsika e !

Hafatra avy aminao ho an’ireo tanora zandry àry hoe !

 Na tiana tahaka ny ahoana aza ny fanaovana sary dia ilaina foana ny mianatra sy mandalina mba tena hahafehy tsara sy ho lasa matihanina. Io no hafatro amin’ny tanora zandry matetika. Tiavina, ezahina ary koa tsy mahazo mitsahatra fa mikatsaka ny soa sy ny tsara hatrany mba hamoahana ilay talenta ao anaty izay. Zavakanto rahateo koa izany fanaovana sary izany ka tsara raha iangaliana sy atao miavaka mba hahasarika ny maso. Rehefa tena lasa matihanina ihany koa isika dia lasa betsaka ho azy ny mankafy sy manjifa ny asa tanana vitantsika. 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés