Webradio

ANTSIRANANA 2022 : Hodinihina bebe kokoa ny fiarovana ny kolontsaina Malagasy

Iavahan’ny samy firenena sy maneho ny maha-izy azy ny foko mitoetra ao aminy ny kolontsainy.  21 septembre 2022

Taratra anefa ankehitriny ny fahaverezana tsikelikely eo amin’ireo soatohavina mandrafitra ny kolontsaina maha-Malagasy. Noho ny fibosesehan’ireo fomba fiaina amam-panao vahiny, indrindra ny kolontsaina tandrefana, no isan’ny antony lehibe mahatonga izany. 

Tsy ampy rahateo ireo rafitra isam-paritra ahafahana miaro sy mampita ny fahalalana amin’ireo taranaka entina hampaharitra ny fomba amam-panao. Noho ireo antony ireo indrindra no antom-pijoroan’ny Vovonamben’ny Ray aman-dreny ara-drazana novolavolain’ny KMTM (Komity Mikarakara ny Taombaovao iraisan’ny Malagasy) sy ny MAMAFI (Malagasy Mampiray Firenena), mba ahafahana mamerina indray ny hasina maha-izy azy ny Malagasy sy ho famelomana ny hambompom-pirenena  amin’ny fanandratana ny kolontsaina ary ny fomba amam-panaony. 

Tamin’izany no nikaonan-doha ka naha-teraka ny vaninandrom-pankalazana iraisana ny Taombaovao izay nifanarahana ho isaky ny tsinambolan’ny Lohataona (septambra) izay natomboka ny taona 2017 teto andrenivohitry ny nosy. Hiditra amin’ny andiany faha-dimy, rehefa avy nitety faritra efatra (Antananarivo, Fianarantsoa, Toamasina ary Mahajanga) ao amin’ny renivohitr’Antsiranana ny fankalazana amin’ity taona ity. Nandray ny fikarakarana amin’ny ankapoeny ny Sehatra Itambaran’ny Raiamandreny Faritanin’Antsiranana (SIRFA), hetsika hotontosaina ny 29-30 septambra ary ny 01 oktobra ho avy izao.

"Fombandrazana ndreky, fombantany hajainy, Fijiria ny fampandrosoana maharitry" io no teny filamatra entina mandritra ny fankalazana atao any Antsirananana amin’ity taona ity. Mifototra amin’ny amin’ny tanjona maromaro ny lahadiniky ny vovonamben’ny Ray aman-dreny ara-drazana, dia ny fanomezan-danja sy famerenan-kasina ny kolontsaina Malagasy ; Ny fametrahana ivo-toerana isam-paritra (23) ho amin’ny fiarovana ny soatohavina. Ny fanindrahindrana ny maha-izy azy ny foko sy ny fombany tsirairay eto Madagasikara. Ny fanamafisam-pihavanana sy fiarahamonina manerana ny nosy. Ny fampitam-pahalalana (ireo fomba amam-panao sy lovantsofina) amin’ireo fara aman-dimby. 

Ny fiarovana ny vakoka amin’ny endriny rehetra ary ny ny famohazana ny habompom-pirenena. Anasana ireo mpitana fomba sy mpahay tantara ary mpandala ny fomba amam-panao nentimpaharazana ombàn’ireo hery rehetra misy eto amin’ny firenena ny hetsika. Tsiahivina fa ny fankalazana ny Taombaovao iraisan’ny Malagasy andiany faha-efatra tany Boeny no nanapahan’ny vovonamben’ny ray aman-dreny ara-drazana ny faritra handray ny fankalazana amin’ity taona ity. Aorian’Antsiranana, ny renivohitr’i Toliary no hamarana ny fitetezan’ny fankalazana renivohi-paritra (2023), miankina amin’io vovonana farany io ny endrika isaloran’ny hetsika ny taona 2024.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés