Webradio

ANTSIRANANA II : Lasibatr’ireo mpitrandraka safira sy mpanimba ala ny faritra arovana

Manoloana ny fisian’ireo olona sahy miditra ao anatin’ireo faritra arovana na ala fady ato anatin’ny Faritra Diana dia nanatanteraka hetsika fitetezana manara-maso ireo faritra arovana ireo ny avy eo anivon’ny sampan-draharaha ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy aty an-toerana, niaraka tamin’ireo Miaramila. 5 décembre 2022

Azo ambara fa tsy voahaja ny fikajiana ireo faritra arovana ao anatin’ny distrikan’Antsiranana II aty Diana, raha ny zava-misy no resahina. Nanomboka ny voalohandohan’ny volana novambra teo ity hetsika fisafoana ireo ala arovana ireo, izay arahina fanentanana atao amin’ireo fokonolona monina manodidina izany. Anisany voatsidika tamin’izany ny tao amin’ny faritra arovana Ankarana. 

Nitohy tao amin’ny kaominina Bobakilandy sy Bemanevika Andranofanjava ny hetsika nataon’ireo ekipa avy ao amin’ny sampan-draharahan’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy Diana niaraka tamin’ireo Miaramila nanao fisafoana tamin’ireo ala arovana ireo. Nandritra ny hetsika fidinana ifotony nataon’ireto farany tao anatin’ny faritra arovana na ala fady Ankarana andro vitsy lasa teo dia nahatratra vatan-dehilahymiisa 9 teo am-panaovana fitrandrahana safira sy nanimba ala tao anatin’ity faritra arovana ity izay fantatra fa hanamboarana arina fandrehitra. Araka ny fanadihadiana natao dia fantatra fa manomboka ripaka ny ala ao anaty ala fady Ankarana, noho ny fisian’ny mpitrandraka safira. Ankoatra izany dia fantatra ihany koa fa ho ripaka ny ala,hatramin’ireo biby ao anatiny, indrindra ireo akomba. Fandrihan’ireo olona ataony sakafo ity biby izay azo sokajiana ho harem-pirenena ity. Tsy nijanona tamin’ny hetsika asa fiarovana nytontolo iainana ireo tompon’andraikitra, indrindra ao anatin’ireny voatokana ho faritra arovana ireny.

Olona miisa sivy hafa kosa indray no voasambotr’ireto mpanao hetsika ireto tao anatin’ny ala fady Bemanevika Andranofanjava. Tra-tehaka teo am-panaovana fitrandrahana hazo tsy ara-dalana ireo olona ireo, izay tratra niaraka tamin’ny fitaovana ampiasain’izy ireo toy ny tsofa hatramin’ireny maotera fampiasa amin’ny fanapahana hazo lehibe ireny. Tsy vitan’ izany ihany koa fa mbola tetehin’ireo olona ireo hatramin’ny toerana misy loharano. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa mikarama ireo olona ireo ary voalaza fa mipetraka aty Antsiranana nympampiasa azy ireo. 

Nampisavorovoro ka voatery najanona ny hetsika

Nitohy tao Ambondromifehy ny hetsika fisafoana ala fady na faritra arovana nataon’ireo avy amin’ny Tontolo iainana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Hatramin’ny nanombohan’ilay hetsika dia saika nahatrarana olona nanapaka hazo hanaovana arina fandrehitra nampanao fitrandrahana tsy ara-dalàna ireny hazo lehibe ireny ary teo koa ireo izay mitrandraka vatosoa. Araka izany dia lehilahy miisa 14 indray no voasambotra tao anatin’ny faritra arovana tao Ambondromifehy ity. Araka ny fantatra dia nanao fitrandrahana safira ireto olona ireto izao voasambotra izao. Tsara marihina fa ahitana toerana fitrandrahana safira ao Ambondromifehy nanomboka ny taona 1998. Izao niitatra niditra ao anatin’ny faritra efa voatokana ho faritra arovana ny ankamaroan’ireo mpitrandraka sasany. Niafara tamin’ny fanakanan-dalana ny fitakiana nataon’ireo namany voasambotra ireo.

Taorian’ny savorovoro dia nisy ny fifanatonana natao mba hamahana ny olana izay niarahana tamin’ireo fokonolona sy ireo Mpitondra Fanjakana izay nahitana ny Solombavambahoakan’Antsiranana faharoa,ny sefo distrika,ireo avy eo anivon’ny tontolo iainana ary ny lehiben’ny Zandary sy ben’ny tanàna. Fantatra taorian’ny fifanakalozan-kevitra fa havotsotra ireo olona voasambotra ireo aorian’ny famotorona ataon’ny Zandary. Ny mahavariana dia fantatra ihany koa fa hajanona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny hetsika. Niteraka resabe ity fanajanonana tampoka ny hetsika ity, indrindra ny tokony hamoahana ireo mpitrandraka ao anatin’ny faritra arovana ao Ambondromifehy ity. Azo ambara hatrany fa toa gaboraraka sy tsy voahaja ny ala fady saika manerana ny Faritra Diana. Raha tsiahivina dia efa nisehoan’ny tranga tahaka izao tao amin’ny faritra arovana tao Ambilo Betsiaka, izay ahitana toerana fitrandrahana volamena, taona vitsivitsy lasa izay. Izany dia niafara tamin’ny famelana malalaka ireo mpitrandraka ary ny filazana hoe fitsinjovana ny fameloman-tenan’ireo mponina no antony nandritra izany.

Mangataka ny hanokafana karieran-tsafira ao anaty faritra arovana

Marihina fa misy ny didim-panjakana izay mamaritra sy mametraka ireo faritra arovana na ala fady manerana ny Nosy. Anisan’izany ny ao Ambondromifehy ity. Na teo ny fanentanana nataon’ireo tompon’andraikitra sy fanaovana fanambaràna narahina fampahafantarana ireo lalàna mifehy ny ala fady dia fantatra fa nangataka ampahibemaso ny mba hanokafana io faritra io ireo fokonolona tao Ambondromifehy. Nanambara ny solontenan’izy ireo fa ao anatin’ny faritra arovana ao ihany no mba ahitana io vatosoa io. Fantatra hatreto fa hajanona ny hetsika, andrasana araka izany ny fanapahan-kevitra mikasika ny fitrandrahana safira ao anaty ala fady, raha hajanona na tokony havoaka ireo mpitrandraka ireo. Ho fantatra miandalana eo izay mety ho tohiny. Raha ny lohahevitra mikasika ny fikajiana sy fiarovana ny tontolo iainana no resahina ato amin’ny Faritra Diana, dia azo ambara fa mananosarotra ny fanatanterahana izany manoloana ny zava-mitranga aty an-toerana tato ho ato izay.

Mpanjono

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés