Webradio

FAMBOLENA LOMOTRA : “Hatao maodely manerana an’i Afrika i Sainte Marie”

Anisan’ny ao anatin’ireo vina goavana napetraky ny Filoha Andry Rajoelina ny fampiroboroboana ny sehatry ny jono sy ny fambolena, ho fampivoarana ireo tantsaha manerana an’i Madagasikara.  5 décembre 2022

Sehatra iray izay ahafahana mampisongadina ny Firenena tokoa izany. Ho an’i Sainte Marie manokana dia nanatanteraka ezaka lehibe izy ireo tamin’ity taona 2022 ity. Vonona hanatratra ny tanjona mba hahatonga antsika ho modely manerana an’i Afrika sy eto Madagasikara, raha ny tatitra voaray avy any an-toerana, tamin’ity fiandohan’ny herinandro ity. Nanamafy ny Minisitry ny Jono sy ny toekarena Mahatante Paubert fa «  ho fampandrosoana izany seha-pihariana izany ary maro ny paikady sy rindran-damina apetraky ny Minisitera amin’izany, tanjona ny hametrahana ny Distrikan’i Sainte Marie, Faritra Analanjirofo ho modely amin’ny fambolena lomotra eto Madagasikara sy aty Afrika. Tsy maintsy hotontosaina amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny asa miaraka izany  ». Saika ny 80%-n’ny mponina ao Sainte Marie mantsy dia mpamboly lomotra sy mpanjono avokoa. 

Roa tapitrisa isaky ny 45 andro

Marobe ireo fianakaviana misehatra amin’ny fambolena lomotra ao Sainte Marie. Asa mahavelona izany ary azo ivelomana tsara, hoy ny mponina, ka tokony hampivelarina sy hampiana tosika hatrany. Manodidina ny roa tapitrisa Ariary any ho any ny vola tokony hiditra amin’ny isam-pianakaviana misehatra amin’izany isaky ny 45 andro. Olana sedrain’ireo mpamboly anefa ny vidin’ny lomotra any an-toerana amin’izao fotoana izao, izay tsy mbola marin-toerana tsara. Efa nisy, araka izany, ny fifampiresahana tamin’ireo orinasa mividy izany, ka hiakatra hatramin’ny 15% ny vidin’ny lomotra manomboka ny volana janoary 2023 ho avy izao.

Hohatsaraina ny fomba fiasa

Ny 27 novambra 2022 lasa teo, nitohy hatrany ny fihainoana ireo tompona orinasa misehatra amin’ny fambolena lomotra ao Sainte Marie ho fandravonana sy ho famahana ireo olana misy, izay ataon’ny Minisitra Mahatante Paubert. Araka izany dia nisy ny fivoriana niarahany tamin’ny orinasa SOVALG. Fivoriana nijerena sy namakafakana ireo olana ifotony mba hahafahana mitondra vahaolana maharitra entina hialana amin’ ireo olana misy amin’ny fomba tsy mitanila. Nandritra ny resaka nifanaovan’ny Minisitra tamin’ireo mpamboly lomotra sy ny fikambanan’ny mpanjono tao an-toerana, ny alatsinainy lasa teo moa, no nahafantarana fa hatao modely i Sainte Marie. Homena fiofanana izy ireo amin’izany ary koa hovatsiana fitaovana mba hahafahany manatanteraka ny asany. Tonga nanotrona ireo fivoriana notanterahina tao an-toerana avokoa ireo manam-pahefana isan-tsokajiny, izay nahitana ny Governoran’ny Faritra Analanjirofo, ny Solombavambahoaka, ny Tale jeneralin’ny Jono sy ny fiompiana ny atirano ary ny DRPEB.

Ato ho ato dia hitohy hatrany ny fivoriana hiarahana amin’ireo orinasa rehetra misehatra amin’ny fambolena sy fividianana lomotra manerana an’i Madagasikara, izay hokarakarain’ny Minisiteran’ny Jono sy ny toekarena Manga ao Antananarivo, ny fiantombohan’ny volana desambra ho avy izao, izay hitadiavana marimaritra iraisana manodidina izany ny fambolena lomotra.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés