Webradio

TETIBOLAM-PANJAKANA 2023 : “Hipaka mivantana amin’ireo asa fampandrosoana eny anivon’ny Distrika”

Hanampy betsaka amin’ny fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana izay mamaly mivantana ny filàn’ny vahoaka ny fahalanian’ny tetibolam-panjakana 2023. Fotodrafitrasa maro eny anivon’ny Distrika no heverina fa ho vita tanteraka. 5 décembre 2022

“Tsy hisy Distrika ho hadino amin’ny fampandrosoana izany intsony eto Madagasikara”, araka ny fanamby nataon’ny Filoha Andry Rajoelina. Tsy misy anavahana fa saika mitovitovy avokoa ny fotodrafitrasa azon’ny Faritra tsirairay, izay ahitana taratra an’io fampandrosoana izay napetraka ho laharam-pahamehana io. Anisan’izany ireo hopitaly manara-penitra, kianja filalaovam-baolina manara-penitra, sekoly manara-penitra, biraom-panjakana isan-tsokajiny, lalana sy ireo tetezana maro samihafa. Ankoatra ny ezaky ny Fitondram-panjakana mivantana amin’ny alalan’ny fanatanterahan’ny Filoham-pirenena an’ireo Velirano miisa 13 nataony dia tena hanampy tosika amin’ny fanatanterahana izay asa fampandrosoana izay ihany koa ny fahalanian’ny tetibolam-panjakana 2023. Nandritra ity fivoriana ara-potoana faharoa natrehin’ireo Solombavambahoaka ity no nandaniana izany. Amin’ny ankapobeny nahafaly ireto farany ny andininy rehetra voafaritra tao anatin’ity tetibolam-panjakana hampiasaina amin’ny taona 2023 ity. Tena laharam-pahamehana niraisan’izy ireo ilay fampiakarana ny tambin-karaman’ireo lehiben’ny Fokontany. Izy ireo izay tsy azo tsinontsinoavina, hoy ireo Solombavambahoaka satria manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fitantanana eny ifotony. Ankoatra izay, tetikasa maro eny anivon’ireo Distrika samihafa no hovinavinaina ho vita tanteraka, araka ny fanehoan-kevitra noentin’ireo Solombavambahoaka. 

Hanampy amin’ny asa fampandrosoana

Herintaona mialoha ny fiatrehana fifidianana filoham-pirenena isika izao. Fotoana ahafahan’ny Fitondram-panjakana mihetsika mafy amin’ny fanohizana sy ny fanatanterahana an’ireo tetikasam-pampandrosoana izay nampanantenaina isaky ny Distrika sy ny Faritra. Hatreto mivaingana ny ezaka vita. Fotodrafitrasa maro no efa mitsangana izay mamaly ny filàn’ny vahoaka amin’ny andavanandrom-piainany avokoa ny ankamaroany. Mitohy ny asa, ankoatra ny ezaky ny Fitondram-panjakana, dia anisany manampy betsaka amin’ny famitana an’ireo fotodrafitrasa eny ifotony ihany koa ity tetibolam-panjakana 2023 vao nolaniana ity. 

Teboka maro ao anatin’ity farany no manome sehatra hahafahana hamita sy hanatanteraka an’ireo asa tokony hovitaina. Raha ho an’ny Distrikan’i Fianarantsoa, Faritra Matsiatra Ambony manokana dia hisy fiantraikany goavana ho azy ireo ny fahalanian’ity tetibola hampaisaina amin’ny herintaona ity. Nambaran’ny Solombavambahoaka fa hanampy amin’ny famitana an’ireo fotodrafitrasa mbola tsy vitan’ny Fitondrana eny anivon’ny Faritra ny fampiasana ity tetibola vao nolaniana ity. “Lany ny volavolan-dalàna hiasana ao amin’ny tetibola 2023. Ny tanjona dia ny famitana izay mbola tsy vitan’ny Governemanta eo amin’ny sehatry ny Fotodrafitrasa. Azo antoka fa hamita an’ireo ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana mialoha ny fifidianana no tena mipetraka ao anatin’ity tetibolam-panjakana ity”, hoy ny Solombavambahoaka voafidy tao Fianarantsoa. Araka izany dia heverina fa tsy ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ihany fa Faritra maro manerana ny Nosy no hisitraka tahaka izany.

Ho vita tanteraka

Misy ny ezaka sy ny famatsiana manokana avy amin’ny Fitondram-panjakana izay omena hotantanin’ireo Solombavambahoaka. Na izany aza anefa, mbola tsy diso anjara tamin’ny fahazoana tombony ara-pampandrosoana manoloana ny fahalanian’ny tetibolam-panjakana 2023 ihany koa izy ireo. Mahatsiaro ho mahazo tombony amin’izany ny Distrikan’i Fianarantsoa, ao anatin’ny Faritra Matsiatra ambony. Betsaka amin’ireo fotodrafitrasa ao an-toerana no ho vita tanteraka atsy ho atsy. Fotodrafitrasa izay nampanantenain’ny Filoham-pirenena saingy azo vitaina tanteraka amin’ny alalan’ny fampiasana an’ity tetibola ity. “Raha nisy izao, ohatra, ny fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena amin’ny fanamboaran-dalana mampitohy an’i Mahamanina hatreny Amboasary dia efa misy ny fampiasam-bola ao anatin’ilay izy. Ohatra ihany koa, ao anatina Fokontany iray misy sekoly mbola tsy vita anisan’izany ny sekoly manara-penitra any Soanierana sy ireo hopitaly manara-penitra ao anatin’ny Faritra Matsiatra Ambony, misy toby Miaramila ihany koa manodidina any, izay tafiditra ao anatin’izay tetibola izay daholo ny fomba hanatanterahana sy hamitana izany”, hoy hatrany ny voalaza. Sehatra iankinan’ny fiainana ara-tsôsialy maro no tafiditra ao anatin’io tetibolam-panjakana 2023 io. Anisany tena zava-dehibe, hoy hatrany ny fanehoan-kevitr’ireo Solombavambahoaka, ilay fisokafana amin’ny fanomezana asa, ny fisondrotan’ny karama, indrindra fa ny fiakaran’ny tambin-karaman’ny sefo Fokontany izay tena tafiditra ao anatin’io tetibola io.


Fiantraikany goavana amin’ny fiainam-pirenena

Mazava ho azy fa rehefa mahakasika ny asa fampandrosoana avy hatrany dia tsy mitondra fifaliana ho an’ireo mpanohitra. Tsikera be fahatany ary fanoherana mirona mankany amin’ny tahotra ny ho resy amin’ny fifidianana no manjaka eto amin’ny Firenena ankehitriny. Momba an’ireo zava-bita vao notokanan’ny Filoha tany Manakara, Faritra Vatovavy ireo dia nambara fa tsy laharam-pahamehana satria toa miendrika fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana sahady. Hatramin’ireo asa fanamboaran-dalana maro izay ahitan’izy ireo fanoherana samihafa dia niezaka nandiso izany ireo olom-boafidy. Voalaza fa tena misy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena ny fahavitana fotodrafitrasa goavana tahaka ireny, indrindra fa ny lalana. Ny lalana, hoy izy, izay miantoka feno ny fivezivezena sy ahafahan’ireo tantsaha mamoaka ny vokatra mba tsy hiaina ao anaty fahasahiranana ny vahoaka malagasy. “Tena misy fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena satria izay no fomba hivoahan’ny vokatra sy hivezivezen’ny vahoaka malagasy eto amin’ny tany sy ny Fanjakana”, araka ny fanehoan-kevitra. Ankehitriny, lany iny tetibolam-panjakana hampiasaina amin’ny taona 2023 izay vao mainka hanampy tosika ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa ireo. Maika amin’ny fampiharana sy ny fampiasana izany ireo Solombavambahoaka.

Jaolahy 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés