Notronin’ny Zanaky ny Ndrenogny Ramahasitrakarivo teo aloha (efa niamboho) avy ao amin’ny Lapan’i Fenovola Vohipeno. Manana tantara lehibe eto amin’ny Nosy ny Antemoro sy Merina eo amin’ny fitantanana fanjakana hatrizay, ka manomboka eto no iaraha-midinika amin’ny fametrahana vina iraisana ho amin’ny fiaraha-miasa vaovao, hoy ny fanazavana. Fiandrianana mifototra amin’ny fanajana ny soatoavina malagasy nisy hatrizay no rafitra kinendry.
Azon’ny Anteony antoka rahateo fa ara-drariny ny fijoroan’ny Antenimieranandriana Merina tarihin’ny filohany Hamon Andriamahary, antony nanomezan’izy ireo voninahitra ny lanonana ofisialy, fanolorana azy ny andraikitra hitantana azy, na eo aza ireo fikambanana miseho an-tambajotran-tserasera manohitra ity rafitra ity sy manangana Andriambenimerina hafa, hoy ny Jeneraly Jean Luc Hariniaina. Mbola hisy rahateo fotoana hitondran’ireo Ndrenogny sy mpitondra fanjakana ara-drazana Anteony tso-drano sy hasina ny Andriambenimerina Hamon Andriamahary ho marik’izay ato ho ato.
Herizo Randrianjafy