Webradio

FANJAKANA ARA-DRAZANA : Mitahiry ny lalàna ifampifehezana fahagola ireo “Tranobe”

Manerana ny Nosy, misy tranobe avokoa ireo tany misy fanjakana sy mpitondra ara-drazana manjaka. Misy itovizany io isam-paritra sy isam-poko.  19 décembre 2022

Manambatra ny foko ao aminy (renimpoko sy zanapoko) ny tranobe rehetra amin’ny fandrindrana fiarahamonina sy fametrahana didy aman-dalàna itandrovana ny fomba sy ny fady mandrafitra ny Lalàm-panorenana fahagola.

Fitondrana vahoaka

Hatry ny fahagola (amin’ny ankapobeny) ny Mpanjaka no nipetraka an-tranobe, ho an’Imerina kosa, fitondrana vahoaka ny tranobe. Lapa na Rova na Trano masina no niantsoana azy, fa arakaraka ny tian’ny mpanjaka niankina tamin’ny vanim-potoana no nanomezany anarana hafa, ohatra amin’izany Besakana sy Mahitsielafanjaka, Tsimialonjafy sy Manjakazafy ; fa iraisany amin’ny tranobe rehetra ny fitehirizana ny lalana rehetra itondrana fiainana eto amin’ny tanin’ny Malagasy. Nametrahana ny Andriamanitry ny Gasy ihany koa ny tranobe, entina manandratra ny hasim-piandrianana isam-poko. Ny tranobe no kibon’Imerina (ho an’ny afovoan-tany), ao no teraka ny lalàna sy ny tsodrano, ny fahalalana ary ny siansa sy ny finoana. Ny voaporofo ara-tsiansa sy ara-pinoana ny lalàna rehetra miforona amin’izany . Misy trano masina napetraka tamin’ny tendrombohitra 12 masin’Imerina, nitoeran’ny Hasimpiandrianan’ny tany sy ny fanjakana ary ny vahoaka. Nombana loholona sy Manan’ny antony, ny zokiny Amandrainy ary solontenan’ny mpanjaka (vadiny), nidika ho tranobe izy rehefa nitondrana vahoaka . Nisy azy ihany koa isaky ny Tanana fizokian’andriana, toa an’Ambohijafy izay nohatevenin’ireo tranobe any amin’ny fivondronan’Andramasina taty aoriana. Manajary fiainan’ny vahoaka sy ny fanjakana, ny fiarahamonina sy zavaboahary, ny toetrandro sy fihariana ary ny fomba sy fady hatramin’izay no andraikitry ny tranoben’Imerina.

Rava sy niorina indray

Nisy ny politika ratsy nentina nandemena ny fanjakan’ny mpanjaka ny amin’ny tolokevitra hampitovizina amin’ny Angletera ny fitondrana an’i Madagasikara. Tanteraka io rehefa nanjaka ny mpanjakavavy nombàn’ny praiminisitra tamin’ny fotoan’androny. Noravana tamin’ireny fotoana ireny ny fisian’ny Raiamandreny sy ny Manan’ny antony ary ireo zokiny Amandrainy teny amin’ny tendrombohitra 12 izay nandrafitra ny fitantanana ny tranobe. Nodorana sy nosimbaina ihany koa ireo tranobe isan-toerana tamin’izany, mbamin’ireo fanaka masina tao anatiny. Ny taranak’ireo mpandrindra ny tranobe no nampita mangina hatrany ny zo aman-kasin’ny tendrombohitra 12 , nomban’ireo fomba amam-panao tao anatiny tamin’ny toerana rehetra nisy azy hatramin’izao. 

Isan’izany ny tao Filahoana Andramasina nisy an’Andriamasinavalona taranaky Ranavalotsimitoviaminandriana, nanjakan’ny mpanjakan’ny Vakinisisaony Andriampanarivofoinamanjaka. Ireo taranaka avy any no nanorina indray ny tranobe eny Ankazomalaza Ambohimanga rova ankehitriny. Ary efa miverina aseho vahoaka ireo fomba amam-panaony amin’izao fotoana, toy ny fanajariana ny hasim-mpiandrianan’ny tany sy ny fanjakana ary ny vahoaka ao anatin’ny andro fandroana. Andraikitra lehibe iantsorohan’ny Tranoben’Imerina ankehitriny koa ny famerenana ny firaisam-pirenena, tarigetran’Andrianampoinimerina. 

Rehefa tanteraka io tarigetra io dia azo ambara ny tena fahaleovantenan’ny firenena, araka ny tatitry Ny Andriana Robert Randrianantoandro, mpitahiry ny Hasimpiandrianan’i Madagasikara ao amin’ny Tranoben’Imerina Ambohimanga. 

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n’apparaîtra qu’après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés