Ny fanisan’andro eto an-toerana sy ny ezaka ho famaritana ny tetiandro iombonan’ny iray nosy, mifanaraka amin’ny fepetra takian’ny kolontsaina ilomanosantsika, mifantoka amin’ny isa volana sy isa taona tsy misahana tativintana no niantefan’ny resaka, araka ny fanazavan’i Mena.
Manerantany, mizara roa mazava tsara ny famaritana ny tetiandro. Samy miankina amin’ny fiantombohan’ny lohataona izany amin’ny ila-bolantany avaratra sy atsimo ifampizarany. Mihodidina ny 23 septambra eo ny fibirantaona ho amin’ny ilany atsimo misy antsika, raha mihodidina ny 21 marsa ho an’ny tapany avaratra. Ireo firenena tantsinanana no manana toetoetra famaritana mitovy amintsika noho ny raikipohy fampiasa tsy mifanalavitra loatra, hoy Mena. Ny toetrandro amorontsiraka mafana sy mando kokoa mandavan-taona no miavaka kokoa amin’ny eto afovoan-tany izay hentitra kokoa amin’ny fazarazaran’ny vanim-potoana maina (fararano sy ririnina) sy ny mando (lohataona sy fahavaratra) na dia samy iharan’ireo zaran-taona efatra ireo avokoa manerana ny Nosy.
Tanjona amin’ny hetsika ny hananana tetiandro matotra sy maoderina (ara-boajanahary sy ara-tsiantifika) mampisongadina ny kolontsaina fototra miombona amin’ny tontolo iainana ary iraisan’ny mpiray firenena. Nisy rahateo fanolorana tetiandro (fanisana andro sy volana tsy mifangaro amin’ny tetivintana), volavolain’ny fikambanana « Manankasina » isaky ny fiantombohan’ny lohataona eto amintsika, nandritra ny hetsika mitondra ny anarana « Taona manankasina ». Misy hatrany io tolotra io mandritra sy aorian’ny hetsika tanterahina, hoy ny filohan’ny Manankasina.
Herizo Randrianjafy