Manakaiky vahoaka hatrany. Marobe ireo ezaka vita tamin’ity taona 2022 ity, eny fa na dia mbola misy ny tsy tomombana aza, hoy hatrany nambaran’ity Minisitry ny filaminam-bahoaka ity. Mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona ho avy izao, toy ny isan-taona dia haparitaka amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy ireo mpitandro filaminana. Hidina ifotony any anaty fiarahamonina koa izy ireo. Ho an’ny eto Antananarivo renivohitra manokana dia hanampy betsaka ny mpitandro filaminana amin’ny fanarahana ireo mpanao ratsy ny fisian’ireo fakan-tsarimihetsika miafina na “ caméra de surveillance” raitra miisa 1200”, haparitaka amin’ny toerana maro.
Raha tsiahivina mantsy ny faran’ny herinandro lasa teo dia nanolotra ireo fitaovana goavana ireo ho fanampiana ny Polisim-pirenena ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana haitao ara-kajimirindra. Efa ela tokoa moa no naniriana ny hahazoana sy hampiasana izany hoentina miady amin’ireo asan-jiolahy isan-karazany ary koa ny handrindrana ny lafiny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. Maro tokoa mantsy ireo asan-jiolahy amin’ny endriny vaovao manaraka ny fivoaram-piainana no mitranga tato ho ato. Nisy ohatra ireo fisolokiana hahazom-bola amin’ny finday, ao kosa ireo fandrobana ireo mpandraharaha amin’ny cash-point.
Nirongatra ny fandrobana “cash-point”
Amin’ny ankapobeny, raha ny lafiny fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina no nahazoana tatitra avy tamin’ireo tompon’andraikitra nanome ny loharanom-baovao tamin’ity herinandro ity dia ny asan-jiolahy mahery vaika toy ny fandrobana ireny mpandraharaha manao cash-point ireny no tranga betsaka indrindra tamin’ity taona ity, ankoatra ireo fanendahana miharo herisetra amin’ny fampiasana antsy lava. Raim-pianakaviana, renim-pianakaviana, olon-dehibe efa mahazo taona ary zazakely no lasibatra sy namoy ny ainy vokatry ny hetraketrak’ireo jiolahy. Manginy fotsiny ny volabe an-tapitrisany lasan’izy ireo. Marihina fa mitombo isa be ireo mivelona amin’ity asa iray ity eto Antananarivo, hany ka manintona ireo mpandroba hanao ny asa ratsiny, izay saika ho isan’andro mihitsy. Maro moa ireo mpiantsehatra amin’ity asa ity no mangataka fiaraha-miasa akaiky amin’ny mpitandro filaminana ho fiarovana ny ain’izy ireo.
Fisolokiana amin’ny finday, cash-point, “facebook”
Maro ny olona no mbola mora voafitaka ka mitondra fitarainana eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana. Nahazo vahana loatra io tranga io tamin’ity taona ity raha ny fanazavana voaray hatrany satria dia betsaka rahateo koa ireo olona mora roboka sy voarebireby. Fisolokiana milaza an’ireo mpampiasa finday fa “misy vola azo maimaim-poana na koa fiara raitra sy ny maro hafa”. Manoloana ireny tranga ireny dia mifanome tanana mandrakariva ny Polisy sy ny Zandary mikaroka ireo olon-dratsy mbola manohy ny asa ratsiny. Tsy mitsahatra mananatra ihany koa ny rehetra mba samy ho mailo fa ny ratsy tsy kely lalana na oviana na ovina. Manodidina ny 60%-n’ireo mpampiasa finday dia saika tratran’io fisolokiana io avokoa.
Mpisoloky amin’ny Mvola voasambotra
Tranga vao tsy ela fa ny 16 desambra teo izao dia tovolahy iray 32 taona no voasambotra teny Ankaraobato, noho ny resaka fisolokiana amin’ny Mvola. Mitonona ho mpiasan’ny Telma moa ity mpisoloky ity ka milaza fa mikatso na tsy mandeha ny kaonty Mvola. Mikoropaka avy hatrany ireo olona izay voantsony ka lasa manaraka avy hatrany izay lazainy. Ireo zavatra asainy ampanaovina rehetra anefa dia manamora ny fisintonany ny vola any anaty kaontin’ ilay olona rehetra izay voasolokiny. Vokatr’ireo fitarainana marobe mikasika ity tovolahy ity dia napetraky ny Polisy ny vela-pandrika rehetra mba hahatratrarana azy. Ny tapaky ny taona 2022 dia efa nahatratra 40 tapitrisa ariary be izao ny vola azony. Olona am-polony no efa voasolokiny, natolotra ny Fampanoavana ny 20 desambra teo moa ity farany. Eo anatrehan’ireo tranga voalaza ireo dia tsy mitsahatra manaitra ny mponina eto an-drenivohitra ny eo anivon’ny Polisy mba samy hitandrina ary koa hampandre azy ireo avy hatrany raha sendra misy tranga mampiahiahy. Tsy vitan’izay fanentanana izay ihany anefa sy ny fidinana ifotony mihosona sy miharo amin’ny vahoaka izay ezahin’izy ireo atao fa an-dalana tokoa ny hampiasana ireto teknolojia vaovao amin’ny fakàna sarimihetsika ireto.