“Resentsika miaraka ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy”. Io no lohahevitra tamin’ity fanentanana ity. Nasaina manokana tamin’izany ireo vadina mpitandro filaminana nahitana vadina Polisy, Zandary, Miaramila, ireo vadina mpandraharahan’ny fonja ary tanora maro : skoto, mpianatra eny amin’ny Ambaratonga ambony. Fifanakalozan-kevitra, fanentanana ny rehetra mba hiara-hisalahy amin’ity ady iraisana ity no tanjona tamin’izany. Nohamafisina ny fanentanana tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ny ady amin’ny herisetra amin’ny ankapobeny sy ireo rafitra mandray an-tanana izay iharan’izany.
Navondrona ho iray handray ny fanentanana tamin’io andro io avokoa, araka izany, ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Mponina, ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ary ny UNFPA. Izy ireo indray avy eo no mizara any amin’ny sehatra tsirairay misy azy avy. Niombon-kevitra tokoa moa izy ireo tamin’izany fa manjaka eny anivon’ny fiarahamonina malagasy ny herisetra ka ady iraisana ny mamongotra azy. Vonona ireto farany hiara-hiady sy hanentana ny mpiara-belona raha misy tranga mampiahiahy ka handraisana fepetra hentitra. Fanirian’ireo mpiantsehatra tamin’io fotoana io hatrany ny tokony hampitomboana ny hetsika toy izao manerana ny Nosy ho fanafainganana izao ady iraisana izao.
Tatianà R.